Hifarana anio ny “Madagasikara sy ny tontolony”, fampirantiana sary varatava, nanehoan’ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana Varatava ny traikefa sy ny fahaiza-manaony.Tafiditra tao anatin’ny hetsika “Iray volan’ny varatava” ity hetsika ity. Nizotra antsakany sy andavany ary samy afapo ireo vondron’olona nokendrena tamin’ny hetsika. Ankoatra ny fanomezana sehatra ireo mpanakanto eo anivon’ny […]
Other News
Sarimihetsika : nodimandry i Babiche
Misaona ny tontolon’ny sarimihetsika eto Madagasikara. Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-34 taonany, i Harimanana Minouchette Babiche, Malagasy mpilalao sarimihetsika no sady mpanoratra tantara horonantsary ary poeta. Araka ny fikarohana natao, ny aretina teo amin’ny faritry ny tratrany no tena nahatonga ny fahafatesany, ary efa nanomboka ny zoma lasa teo izy […]
Andron’ny haisoratra : hanao « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » ny Havàtsa-Upem
Hatramin’izao, tsy mbola misy mahasolo ny boky… Nihena miandalana anefa ny fampiasana azy ity tato ho ato. Manoloana izany, mandray andraikitra avy hatrany ny Havàtsa-Upem. Ho fanamarihana ny faha-72 taonan’ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Hanatanteraka « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahatelo ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana […]
Dimy lahy maty notifirin’ny jiolahy: tsy nanana 200 tapitrisa Ar ny fianakaviany
Sangy mihoatra ny loha! Nafatotra tamin’ny hazo, notifirina an-kitsirano ireo olona dimy mianaka natao takalonaina tao Anjozorobe. Tsy nanana 200 tapitrisa Ar ny fianakavian’izy ireo. «Resy izahay aty Anjozorobe, mifona e! Resinareo izahay, tsy misy na iza na iza hitarainana intsony», hoy ny antsoantson’ireo mponina ao amin’ny distrikan’Anjozorobe manoloana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nisafidy ny tsy hanao politika, taorian’ny fahanginany Ny Rado Rafalimanana. Nambarany fa efa kandidà filoham-pirenena indroa ny tenany ary nihevitra ny hahavita. “Tena tsy haiko ilay fomba fanaovana politika eto”, hoy izy. Nanafarany ireo mpisehatra izany ka nilazany fa mila fantatra aloha izany Madagasikara izany raha te hanao politika. Mitaky […]






