Other News

« Guitares de Madagascar » : Tafaraka an-tsehatra i Teta sy i Chrysanto

Tafaraka ny samy andrarezin’ny fitendrena gitara. Hiray sehatra i Teta sy i Chrysanto. Samy nitrandraka zavatra maro momba ny gitara sy ny hira malagasy. Fampisehoana tsy fahita firy. Teta sy Chrysanto, samy havanana amin’ny fitendrena gitara. Samy nanao fikarohana lalina momba ny fampiasana sy famolahana ity zavamaneno vahiny ity ho […]

SOMBIM-BAOVAO

Mpitsara vehivavy, amin’ny baolina kitra miisa 28 manaraka fiofanana «cours Ma Feminin», tanterahina eto Antananarivo, izay nanomboka ny 8 avrily lasa teo. Mitarika izany, ilay kamerone Raphael Evehe Divine, Instructeur technique sy ilay tonizianina, Maroua Hannachi Instructeur Physique. Haharitra hatramin’ny alahady 12 avrily ho avy izao, izany.

Muay Thai – Queen of the Ring : Gasy roa mifaninana any Maorisy

Hotanterahina anio 11 avrily, any Maorisy, ao amin’ny Kianja mitafo Phoenix, ny fifaninanana Muay thai Gala “Queen of the Ring”. Tsy diso anjara amin’izany i Madaga­sikara fa manana solontena hiaro ny voninahi-pirenena. Malagasy mpikatroka roa vavy no efa any an-toerana hiatrika izany. Misy an’i Faniriantsoa Voary, eo amin’ny sokajy Senior […]

Rugby – Federal 2 : Hangotraka ny ampahefa-dalana

Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny dingana ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy “Federal 2”. Hangotraka ny fihaonana satria adin’ny samy andrarezina. Anisan’izany ny fihaonan’ny JSTA Ambondrona sy ny FTAT Anosibe. Adin’ny samy kartie ny azy ireo. Samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta izay misy mpilalao […]

Handball – «Mada Jeunes» : Nanao pao-droa ny ekipa avy amin’ny ligin’Ihorombe

Tsara famaranana ny ligin’Ihorombe teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy “cadet” sy “junior”, lahy sy vavy. Norombahin’izy ireo ny amboara roa niadiana tamin’izany. Nifarana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball, lahy sy vavy. Nisongadina ny ekipan’ny ligin’Ihorombe izay […]