Other News

VAOVAO TAMBATRA

Niampy 18 ireo mpandraharaha nisitraka fahazoan-dalana hanondrana lavanila mandritra ny taom-panondranana 2025-2026. Mpandraharaha iray hafa koa nahafeno ny fepetra takina amin’ny fanondranana jirofo any ivelany, hanampy ireo efa nahazo teo aloha. Miantso ny mpandraharaha haka ny fanamarinam-pahazoan-dalana hanondram-bokatra eny amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, manomboka amin’ny alatsinainy, ny tomponandraikitra. […]

Teknolojia niomerika : Efa miroborobo ny fampiasana azy

Hotanterahina ny 24-26 avrily, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Salon du digital et de l’innovation de l’Océan Indien, andiany faharoa. Hetsika natao hampivondronana sy hampahafantarana ny vokatra ataon’ireo mpisehatra amin’ny teknolojia niomerika izy ity. Omen-danja manokana ireo tanora, startups, mpisehatra anatin’izany, hizara sy hitondra ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ireo robotika […]

Groupement de pétrolier de Madagascar (GPM): Mitohy tsy tapaka ny famatsiana solika

Miantso ny mpanjifa ho tony ny vondron’ny mpandraharaha ara-tsolika (GPM) manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana. Nivoitra tao amin’ny fanambarana navoakany, ny alakamisy teo, fa mandeha ara-dalàna ny fizarana solika ary hitohy tsy misy fahatapahana izany. Andrasana ny 13 avrily, hoy ny fanambarana ny sambo voalohany hitondra solika milanja 64 500 […]

CEO Summit Indian Ocean : Miroso ny asa sy ny fiaraha-miasa ara-toekarena

Nifarana omaly, tao amin’ny Novotel Antananarivo, ny andiany faharoa an’ny « CEO Summit Indian Ocean » notanterahina nandritra ny roa andro. Miroso amin’ny asa ny rehetra hampivoarana ny toekarena, amin’ny alalan’ny vokatra azo tsapain-tanana. Fanapahan-kevitra telo lehibe no nankatoavina nandritra ity fihaonana natao ny 9 sy 10 avrily ity. Eo […]

FANTINA sy FINTINA

Nahitsy ny depiote Rabenirina Mamy fa mifototra amin’ny fanapahan’ny HCC ny fijoroan’izao fitondrana izao. Efa nanazava ny mpitondra momba ny azo sy ny tsy azo atao amin’izao fotoana ho an’ny fanavaozana izao, manoloana ny fitakian’ny tanora handravana ny Antenimiera. «Tokony hanaja izany ny rehetra», hoy izy. Tsy vahaolana ny fidinana […]