Muay Thai – Queen of the Ring : Gasy roa mifaninana any Maorisy

Hotanterahina anio 11 avrily, any Maorisy, ao amin’ny Kianja mitafo Phoenix, ny fifaninanana Muay thai Gala “Queen of the Ring”. Tsy diso anjara amin’izany i Madaga­sikara fa manana solontena hiaro ny voninahi-pirenena. Malagasy mpikatroka roa vavy no efa any an-toerana hiatrika izany. Misy an’i Faniriantsoa Voary, eo amin’ny sokajy Senior latsaky ny 51 kg, izay hifanandrina amin’ilay teratany maorisianina, i Dorza Annya. Eo ihany koa Rako­tosolofo Richinah, eo amin’ny sokajy Senior latsaky ny 54 kg. Teratany Maorisianina, i Ma­met Nelly sy teratany Renio­ney, i Dorla Anna, no hiady ny amboara amin’i Richinah, ao amin’io sokajy misy azy io. Ny mpanazatra Jean Robert no niara-dalana amin’izy roa vavy any an-toerana miatrika ity fifaninanana “Queen of the Ring”, taranja Muay thai, ity. TsiahivinaF nosy 3 no hifaninana, ahitana an’i Maorisy, La Réunion ary i Madagasikara. Miandrandra fandresena ireto solontena malagasy ireto raha ny fanomanana nataon’izy ireo. Vao avy niatrika ilay fiofanana nomen’ny Maître Gildas ihany koa izy ireo, ny 27, 28 ary 29 marsa teo, ka azo lazaina ho ampy ny fanazaran-tena.

Mi.Raz

Partager sur: