Rugby – Federal 2 : Hangotraka ny ampahefa-dalana

Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny dingana ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy “Federal 2”. Hangotraka ny fihaonana satria adin’ny samy andrarezina. Anisan’izany ny fihaonan’ny JSTA Ambondrona sy ny FTAT Anosibe. Adin’ny samy kartie ny azy ireo. Samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta izay misy mpilalao tanora sy matanjaka. Araka izany, lalaon’ny mpanazatra ny an’ny roa tonta. Tsy ambakan’izany koa ny an’ny Rosa Antohomadinika sy ny FBM Bemasoandro Itaosy. Ho toy ny famaranana kely ihany koa. Mitovitovy fomba filalao ny roa tonta ka sarotra ny haminavina izay ho mpandresy. Mihevitra ireo mpandinika fa mety ho tonga hatrany amin’ny fanalavam-potoana ny fihaonan’ny roa tonta, Ny Stade Olympique de l’Emyrne (Tapany mena) indray hifanazava amin’ny CRAI Ambalavao Isotry. Paikady samihafa no hitranga eny ambony kianja. Ho sarotra ny fandidiana satria adin’ny samy mena vazana. Farany, ny fifanandrinan’ny 3FAI Ambalavao Isotry sy ny RCSA Anosibe.

Tompondaka

Partager sur: