Other News

Padel – « Island Cup »: Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy, lehilahy

Notontosaina afakomaly, teny amin’ny Soavina Atmosphere, ny lalao famaranana, fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, taranja tenisy anaty efitrano, lahy sy vavy. Norombahin’ireo Mala­gasy, lehilahy, mpilalao ny amboara tamin’izany, raha nifanandrina tamin’ny ekipa voafantina avy any La Réunion izy ireo. Nionona tamin’ny laharana faharoa kosa ny vehivavy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i […]

Baolina kitra – « Can 2025 » : ho toy ny famaranana kely ny an’ny Barea sy ny ekipan’i Comores

Hifantoka amin’ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Coelacanthes Comores indray ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio. Ho toy ny famaranana kely mialoha ny fotoana ny fihaon’ny roa tonta. Hamaritra ny toerana hisy ny Barea koa izany. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianja Hamadi Aguerbi Stadium, ao Rades Tunisie, ny andro […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly, teny amin’ny fasam-pianakaviana « Makpela » Anjanahary, ny fametrahana ny nofo mangatsiakan’Andriamanantena Solofo Andry na i A. S. Andry. Raha tsiahivina, ny alarobia 4 septambra teo no nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-72 taonany izy. Ny paikafo atao amin’ny takelaka hazo no tena nahafantarana azy. Ankoatra io, niantsa ny tononkalon’i Rado, […]

Tarika tselatra : fampisehoana nandrasan’ny mpankafy ny omaly

Nafana sy nangotraka ny fampisehoana nataon’ny tarika Tselatra, omaly, tetsy Antsa­ha­manitra. Tarika miangaly ny gadona Rock sy Heavy metal, anisan’ny be mpankafy eto amin’ny Nosy izy io. Poro­fon’izany, feno ny toerana ary tonga maro tsy nanavahana, vavy sy lahy, ny mpankafy nanatrika izany teny an-toe­rana. Afapo tanteraka ireo mpankafy vazo […]

Hosana Ambohijatovo fitiavana : fifaliana no tsapa tamin’ny fampisehoana

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fana­tanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana, niarahana tamin’ ny antoko mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana. Nampi­tondraina ny lohateny “Andeha hidera azy”. Feno tanteraka ny tao Mahamasina, satria tonga maro tsy nisalasala ireo mpankafy nanotrona azy ireo. Nampirisika ny maro, tamin’izany, ny fiombonana hidera an’Andriamanitra. “Misy aimpanahy […]