Vita, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny Kly Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny minisitra vaovao, Rafidison Richard Théodore. Ho an’ity farany, laharam-pahamehana ny hampihodinana ny toekarena, ka asa maika hatao ny fanarenana ny lalam-pirenena RN2, RN7 ary RN4. « Efa eo am-pelantanana ny famatsiam-bola […]
Other News
ESD Nanisana : manan-danja ny lalàna sy ny siansa politika
Mivoatra ny fianarana amin’ny tontolo politika sy ny fitsarana ao amin’ny sekoly ESD Nanisana. Mifantoka amin’ny lalàna sy ny siansa politika ny fampianarana. Tsy ampy ny isan’ny olona misehatra amin’ny lalàna eto Madagasikara, raha oharina amin’ny isan’ny mponina. Izany no mahatonga ny sekoly ambony momba ny Lalàna sy ny Siansa […]
TARATRY ny KANTO
Nigadona an-tanindrazana omaly, i Lita, mpikambana eo anivon’ny tarika Mage 4, monina any ampitan-dranomasina. Hiatrika ny fampisehoan’ny tarika izy, rahampitso. Araka izany, izy valo mirahalahy, mpikambana eo anivon’ny tarika no hiaraka hanatontosa ny fampisehoana “Hatramin’ny farany” hatao ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Famaranana ny faha-35 taon’ny tarika Rebika. […]
Fifaninanana miantsa ; 25 ireo hifanintsana, anio
« Andeha isika hamorona olona tahaka antsika ». Teny filamatra nofidian’ny Faribolana Sandratra hitondrana ilay « Sandran-kalo zara fanahy » fifaninanana miantsa tononkalo karakarain-dry zareo. Fantatra fa 25 no hiatrika ny dingan’ny fifanintsanana anio tolakandro, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina. Marihina fa tononkalo na sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra no antsain’ireto mpifaninana ireto. […]
angon-tahiry : tsy mahasarika ny Malagasy
Anisan’ny mampandroso ny olona iray, na ny firenena iray, ny fananana angon-tahiry. Antony, fototra iray azo hanaingana hiatrehina ny ankehitriny sy hibanjinana ny hoavy izy io. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola mahasarika ny Malagasy ny fanaovana azy io. Mbola tena vitsy, ohatra, ny tokantrano mitahiry ireo fitaovana nampiasain’ny teo aloha, ka […]






