Other News

VAOVAO TAMBATRA

Anisan’ny voatazona ho minisitra, hitantana ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ho an’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery. Ho an’ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier. Ho an’ny Jono sy ny toekarena manga, i Mahantante Paubert. Ho an’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena […]

GEM: mandrisika ny fiaraha-miasa anatiny

“Sehatra telo goavana azo hampiasam-bola eto Madaga­sikara ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany ary ny fandraharahana eo amin’ny fambolena”, hoy ny filohan’ny Vondron’ny orinasa eto Mada­gasikara (Gem), Rabarijohn Francis, nandritra ny fihaonany tamin’ireo delegasionina avy amin’ny Japan External Trade Organization (Jetro), ny herinandro teo. Zava-dehibe, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ireo […]

lavanila: mpandraharaha 58 afaka manondrana

Miisa 58 ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana (agrément) hanondrana lavanila. Voasokajy anatin’ny indostrialy avokoa izy rehetra ka afaka maka ny fanamarinam-pankatoavana eny amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) Ambohidahy, ao anatin’ny 15 andro. Tsiahivina fa tafakatra 4 400 taonina ny lavanila aondran’i Madagasikara tamin’ity taom-piotazana 2023-2024 ity, raha toa […]

Fitantanana ranomasina Cop 11: firenena fikaroham-bahaolana sy hiasana i Madagasikara

Nifarana omaly, ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny Fifanarahan’i Nairobi (Cop11). Nasongadina fa i Madagasikara dia firenana fikarohana vahaolana sy fandraisana andraikitra. Lohahevitry ny Cop11, natao teto Madagasi­kara, ny « Fiaraha-miasa isam-paritra ho an’ny toekarena manga maharitra, fanatsarana ny fitantanana ny ranomasimbe Indiana Andrefa­na ». Raha aravona, miisa telo ny krizy mitranga maneran-tany: […]

TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, anio hariva, ny tarika Rajery. Ho hita mandritra ny seho ireo hira nankafizan’ny maro ny tarika. Vonona ny hanome fahafaham-po ny mpankafy sy hamoaka ny tsara indrindra avy aminy izy ireo, mandritra izany. Hifarana tanteraka, anio, ny “Salon des jeux de société” andiany faharoa, […]