Voan’ny totohondry mafy teo amin’ny tenda, namoy ny ainy ny lehilahy iray vokatry ny daroka nataon’ny rahalahiny azy. Nosamborina ity farany. Nosamborin’ny zandarimaria, afakomaly, ny lehilahy iray voarohirohy ho namono nahafaty ny rahalahiny, iray kibo aminy, tao amin’ny kaominina Ambatomainty, faritra Melaky. Namoy ny ainy ny 12 aogositra lasa teo, […]
Other News
DAKA AN-JORONY: aza manao tahaka ny mpanotrika atody
Mihazakazaka izay tsy izy ny fotoana. Tonga sahady ity ny daty hidiran’ny Barea de Madagascar an-tsehatra. Hiakatra kianja ny omby malagasy. Tsy hiady eo amin’ny kianja mahazatra azy izy fa hifampitrongy any an-tanin’ny mpifanandrina. Tsy manana anjara hilalao eo an-jaridainany noho ny zava-misy. Tsy famendrofendroana akory ny hilazana fa aleo […]
Judo-Afrika Junior: nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura
Anaram-boninahitra faha-6 norombahin-dRasoanaivo Razafy Laura ny fandresena azony afakomaly, tany Yaoundé Kameronina. Nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior. Vokatra tsara indray no azon’ny atleta malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay natao tany Yaoundé Kameronina, ny […]






