Other News

Olona olana

  Famatsian-jiro sy rano, vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite… Inona koa? Anisan’ny olana miverimberina hatramin’izay ireo, efa an-taona maro. Mandra-pahoviana? Manginy fotsiny ny olana raiki-tampisaka amin’ny sehatra na faritra sasany: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Misy koa ny olana tsy misy mpihaino na mpiraharaha; eny, na misy aza, ohatra, […]

Filoha Rajoelina Andry: nohamafisiny fa politikam-pirenena ny teknikam-pambolena Pfumvudza

Tafiditra anatin’ny politikam-pirenena ny fanelezana ny teknikam-pambolena Pfumvudza. Nanamafy izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tany Zimbabwe, omaly. Nataony laharam-pahamehana ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fampiroboroboana ny fambolena. Tanjona, hoy izy, ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara. Name­traka fanamby ihany koa izy fa haverina amin’ny sata maha […]

TSELATRA

Naratra mafy niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny lehilahy iray nitondra scooter teny Nanisana, afakomaly hariva. Nandeha mafy, tsy nahafehy ny familiana io mpitondra moto io. Tsy nahina ny ainy. Efa-dahy mpamaky fasana maty voatifitry ny zandary tao Vangaindrano, omaly maraina. Nitondra antsy, nikasa haka ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ny zandary izy ireo ka […]

Ankadimbahoaka: jiolahy roa lavon’ny polisin’ny Sag

Maty voatifitry ny polisy eo anivon’ny Sag, ny jiolahy miisa roa tetsy Ankadimba­hoaka, afakomaly hariva. Nivezivezy teny amin’ny ma­nodidina ireo olon-dratsy, izay efa nitondra fitaovam-piadiana. Nihaodihaody tsy lavitra ny foiben’ny vondron’orinasa matanjaka iray eny an-toerana izy ireo. Nanatona hisambotra azy ireo ny polisim-pirenena saingy nanda izany ireo jiolahy. Tsy nanaiky […]

Iavoloha: efa-dahy nahatrarana rongony 920 kg

Tratry ny vela-pandriky ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny efa-dahy nitondra rongony 920 kg teo Iavoloha, distrika Atsimondrano, afakomaly. Misava eny anivon’ny lalam-pirenena, fiara miisa roa avy any Toliara voasakana. Nampiahiahy ny polisy ny fihetsiky ny lehilahy efa-dahy. Nosavaina, nahitana zava-mahadomelina nilanja 49 gony teny amin’izy ireo. Efa […]