Nihaona tao amin’ny masoivohon’i Madagasikara tao Paris-France, omaly, Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha sy ny minisitry ny Fanatanjahantena malagasy, Rasambany Alain. Nifanakalozana hevitra ny amin’ny fomba hanatsarana ny kianjaben’i Mahamasina, hahazoana fankatoavana ka handraisana ireo lalao hataon’ny barea ny volana septambra, oktobra ary novambra 2026.
Hitohy ny faran’ity herinandro ity, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja basikety, sokajy N1B. Lalao 39 no hitranga ka ny sabotsy izao no hanatanterahana ny 20. Ny alahady kosa no hanaovana ny ambiny. Kianja 4 kosa no ampiasaina mandritra izany.
Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana amin’ ny faran’ity herinandro ity ny fifaninanana eo anivon’ny seksionina Antananarivo, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona sy ny sokajy latsaky ny 16 taona. Anisan’ny tafakatra hiatrika izany ny ekipan’ny ASSM, Fandrefiala, AST, TSBB, PBBC ary ny Cosfa.




