Mitohy ny fanohizana ny fanarenana ny arabe Boulevard Ratsimilaho any Toamasina. Ho vita tanteraka anio 17 jolay, ny fandrakofana godirao ny ampahany faharoa ny asa, mirefy 1,6 km. Miainga eo amin’ny Miou Miou Salazamay hatreo amin’ny Lisea Rabemananjara. Hatao aorian’izany ny fandokoana ny marika famantarana amin’ny arabe rehetra. Eo am-panomanana […]
Other News
Haban-tseranana : handoavana haba ny entana mihoatra amin’ny fetr’isa
Misy ny bokikely hamantarana ny isa sy ny karazan’entana azon’ny mpandeha entina miditra eny amin’ny seranam-piaramanidina. Azo ampiasaina koa ny finday avo lenta hidirana ao amin’ny fitaovana niomerika eTariff. Natao, omaly, ny fivoriana nokarakarain’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana (DGD) malagasy, niaraka tamin’ireo mpisehatra sy manan-draharaha aminy. Nifantoka tamin’ny Fifanarahana hanamorana […]
Sendika ST MEETFP : “Hamafisinay ny fepetra ho an’ireo ho minisitra”
“Miantso ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra izahay amin’ny fisafidianana ireo ho minisitra misahana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa”, hoy ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (ST MEETFP). Nohamafisin’izy ireo ny antso avo efa nataon’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena miasa amin’ ny sehatry ny […]
INDRAY MIJERY
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny andiany fahenina amin’ny Forum Mini-basket, izay karakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) sy ny Fiba Afrika. Miisa 365 isa ireo ankizy tonga nanatrika izany teny an-toerana. Hiatrika ny fifaninanana Davis Cup vondrona “V”, izay hatao any Gaborone […]
Playout PFL : hifanandrina amin’ny CFFA ny Mama Fc
Hotanterahina eto an-drenivohitra, anio, ny andro faharoan’ny fifaninanam-pirenena hahafantarana ireo ekipa roa midina any amin’ny diviziona faharoa, “Playout Coca-Cola PFL”, ho an’ireo kaonferansy roa, avaratra sy atsimo. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Mama Fc, izay samy miray vondrona ao amin’ny Kaonferansy Atsimo. Hatao eny […]






