Other News

Filaharambe hatrany

  Mampanontany tena mihitsy ny andavanandrom-piainan’ilay Malagasy. Vao maraina, omaly, tena mbola anaty haizina dia efa filaharambe ireny milina fisintonana vola eny amin’ny banky ireny.  Toraka izany ny  filaharana fiara fitateram-bahoaka.  Vao miposaka ny masoandro, efa lavabe ny filaharana taxi-be. Izay tsy milahatra, mifanosika, mitady hirika rehetra ahatafidirana anatiny. Soa aloha, […]

Foloalindahy Malagasy : Tonga ny basy sy fiara mifono vy avy any Rosia

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fitaovam-piadiana avy amin’ny Rosianina. Notanterahina teny amin’ny toby jeneraly Mounibou Ismaël eny Ivato, ny lanonana mifandraika amin’izany. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo fanampiana samihafa. Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany famatsiana fitaovam-piadiana sy fanomezana fanampiana izany, taorian’ny fihaonan’ny filo­han’ny Fanavaozana ny […]

Trail de Maurice : Lasan’i Hajanirina ny medaly volamena

Norombahin’i Hajanirina, atletan’ny Crown Vakinanka­ratra, ny laharana voalohany sy ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Maurice tamin’ny hazakazaka anaty natiora na ny Trail, ho an’ny halaviran-dalana 32 km. Fifaninanana nokarakarain’ny ligy any an-toerana, ny sabotsy 28 marsa lasa teo. Notarihiny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hazakazaka. […]

Lalao ara-pirahalahiana Fifa: Nisaraka ady sahala tamin’i Guinée Equatoriale ny Barea

Fandresena sy sahala no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tany Turquie. Mety hijanona eo amin’ny laharana faha-104 ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy nisy ny nivoaka mpandresy! Nisaraka ady sa­hala tamin’ny isa 1 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara sy ny Nzalang Nacional Guinée Equatoriale, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay natao, omaly, tao […]