Nampidirina vonjimaika am-ponja ny talen’ny ivontoerana fanofanana amin’ny asan’ny mpisolovava, IFPA, teo aloha, araka ny fampitam-baovaon’ny Bianco, omaly. Anisan’ny vesatra iampangana azy ny kolikoly sy ny fandraisana mpianatra 19 taona, raha 21 taona no fetran-taona farany ambany takina amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly, fa […]
Other News
Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: Ben’ny Tanàna vonjimaika Rajonson Zaratiana Finaritra
Nandray ny asa maha ben’ ny Tanàna vonjimaika azy ny lefitra voalohany ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Rajonson Zaratiana Finaritra. Notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna teo aloha, Ramanantsoa Harilala. Nialoha izany, nanatrika hetsika roa samy hafa ny mpitantana teo aloha, […]
Zotra tsy maintsy arahina
Nirongatra indray tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona. Loza tsy nahy sy tsy ampoizina avokoa ny ankamaroany. Misy ihany ny tsy fitandremana isan-karazany. Raha ny zava-misy ankehitriny, tsy ampy ny filazana fa tandrevaka no fositra. Misy tokoa ny loza, tsy hay hazavaina. Mijininika ny ra, miampatrampatra ny maty. Tsy […]
Fifidianana eny ifotony: Mampirisika ny tanora ho kandidà ny Malagasy miara-miainga
Naneho ny heviny momba ny fandraisana andraikitry ny tanora eto amin’ny firenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa tena fotoana hirotsahan’ny tanora an-tsehatra izao. Notsiahiviny ny nahavoafidy azy ho ben’ny Tanàna voalohany teo amin’ny faha-28 taonany. Amin’izao fotoana izao, mahafinaritra ny filoha nasionalin’ny MMM ny mahita […]
Ambatobe : Mpirahalahy voafaokan’ny fiara, maty ny iray
Namoy ny ainy rehefa tonga tao an-trano fonenany ny ankizilahy iray, 14 taona, rehefa nilaza ho voadonan’ny fiara teny Bibilava mampitohy an’Ambatobe sy Nanisana, ny sabotsy 28 marsa teo, tamin’ny 4 ora sy sasany. “Nivoaka ny trano maraina handeha hikotrana izy roa lahy ireo”, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny fianakaviany. Nandritra […]






