Notanterahina omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia, teny Ivandry, ny lanonana fankalazana ny “Journée de la Russie”. Niatrika izany, nisolo tena ny filoha Rajoelina Andry, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Sahavelo Lala Monja Delphin, notronin’ ireo tomponandraiki-panjakana sy olo-manankaja maro eto amin’ny firenena, indrindra ireo mpisehatra politika. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Notanterahina tamin’ny alalan’ny fihaonana ampitain-davitra ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Tsy eto an-toerana fa miatrika fivoriana iraisam-pirenena eo anivon’ny Cnuced any Genève, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Niatrika ny filankevitra kosa ny Praiminisitra, Ntsay Christian, sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hanafaran’ny fiadidiana ny Repoblika […]
Tsy mila korontana
Sambany! Hatrizay nisian’ny fifidianana no nisy fotoam-pitsarana miezinezina tahaka izany tao Ambohidahy, Lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, HCC. Feno hipoka sy afaka nifandaha-kevitra tsara ny mpifanandrina politika na ny kandidà. Nafana ny fifanohanan-kevitra, nentina nandresy lahatra ny mpitsara ambony. Samy nanao izay ho afany na ny mpitory na […]
Fifidianana tao Faratsiho: Tsy nifampitsitsy ny kandidà “Lalatiana” sy “Mily”
Tsy nifampitsitsy ny kandidà “Lalatiana” sy “Mily”, avy ao Faratsiho, omaly, teny amin’ny HCC, Ambohidahy. Nitory ka mangataka ny hamerenana ny fifidianana ny Irmar. Tsy manaiky lembenana ny Firaisankina. Tsy nifampitsitsy! Nahitsy ny mpisolovava ny kandidàn’ny Irmar, i Lalatiana Rakotondrazafy, teo anoloan’ny mpitsara avo fa efa mpamerin-keloka sy tsy mpanara-dalàna […]
TSELATRA
Naiditra eny Antanimora avokoa ireo valo lahy voasaringotra tamin’ny halatra solika tao Talata Volonondry, omaly. Nanodinkodina solika teny amin’ny toerana hanamboarana ny lalambe migodana izy valo lahy ireo. Nanao ny fanadihadiana ny zandary ka niara-voatazona ireo voarohirohy. Niafara tamin’ny fihazonana am-ponja izany. Misazy dimy taona an-terivozona ilay mpiandry fonja voampanga […]






