Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana, tao amin’ny fokontany Ambaniandrefana sy Antanetibe, kaominina Talata Volonondry, afakomaly, ny jiolahy raindahiny iray. Nahazo fampitam-baovao tamin’olon-tsotra ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry momba ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona fanafihana tao amin’ireo fokontany roa ireo. Nidina teny an-toerana ny zandary tamin’io fotoana […]
Other News
Ambilanibe-Andavamamba : jiolahy roa maty voatifitra
Lavon’ny tifitra nataon’ny polisy ny jiolahy roa nanao fanafihana mitam-piadiana teny Ambilanibe, Boriborintany fahefatra, omaly. Narahin’ny mpitandro filaminana maso akaiky ny fihetsik’ireo olon-dratsy ireo. Nikononkonona fanafihana mitam-basy teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao marim-pototra azon’ny polisy. Nanao vela-pandrika avy hatrany ireto farany. Raikitra ny fifandonana ka tsy tontosa […]
Lehilahy hita faty nihosin-dra : notsatohana fantsika ny lohany
Raim-pianakaviana iray manodidina ny 35 taona hita faty nihosin-dra tao Antanamalandy, Mahajanga, omaly maraina. Nahitana fantsika nitsatoka teo amin’ny lohany. Lehilahy efa nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny fokonolona tao amin’ny faritry ny fasana Mangatokana, fokontany Antanamalandy, kaominina Renivohitra Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Nifono lamba tanteraka ny lohan’io olona […]






