Nilamina ny resaka ! Averina aty Madagasikara ireo sokatra 1076 sy varika 48 naondrana antsokosoko tany Thaïlande. Nankany an-toerana nandamina izany ny minisitra Max Andonirina Fontaine. Tsy mitsaha-mitombo ny trafikana bibidia eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Koa, ataon’ny governemanta malagasy ny ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna. Nisy ny fifanarahana nataon’ny minisitra […]
Other News
Rugby – “XXL Top 12”: nomontsanin’ny FTM ny FTBA Andohatapenaka
Voahaja ny lojika. Resin’ ny FTM Manjakaray tamin’ny isa mavesatra 92 no ho 0 ny FTBA Andohatapenaka. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, «XXL Top 12». Lalao notanterahina, omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Efa nampoizin’ny rehetra ny vokatra. Ambony lavitra ry zareo […]
Taekwondo- Ambaratonga kukkiwon : mpikatroka 33 tonga nanao fanadinana
Notontosaina omaly, teny amin’ny CFFAMA Nanisana, ny fanadinana hiakarana ambaratonga kukkiwon (1ère dan- 4ème dan). Miisa 33 mianadahy ireo mpikatroka tonga niadina teny an-toerana. Marihina fa ity no hetsika voalohany nokarakarain’ny tale teknika nasionaly (DTN) ny Federasiona malagasin’ny Taekwondo (FMTKD), Fanomezantsoa Dimbiheriniaina Pharlin, (3ème dan kukkiwon sy 4ème dan federaly). […]
DAKA AN-JORONY: Miadia tahaka an’i Davida
Mahavariana ary mahalasa saina ka mampametra-panontaniana ny maheno ireo Malagasy, manakiana ny fandresena azon’ny Barea de Madagascar, nanoloana ny Coelacanthes Comores iny. Tsy fantatra mazava ny antony tsy hitiavan’izy ireo iny vokatra iny. Rehefa nozohina, marolafy ny antony. Eo aloha, ny fahitana ireo mpilalao manao endrika vazaha sady tsy misy […]
Africa Padel cup of Nation 2024: voahosotra ho tompondakan’i Afrika i Madagasikara
Nanakoako nanerana an’i Afrika indray, ny faran’ny herinandro teo, ny lazan’i Madagasikara. Norombahin’ny Malagasy ny amboara maha tompondakan’i Afrika azy eo amin’ny taranja Padel. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika 2024, amin’ny taranja Padel (Africa Padel cup of Nation) i Madagasikara. Fifaninanana nokarakarain’ny Kaonfederasiona afrikanina Padel (CAP), notanterahina tao amin’ny kianja Nouakchott […]






