Other News

Rugby – XXL Top 12 : Ny 3 mey vao hiverina ny fifaninanana

Miandry ny fahavitan’ny Fédéral 2, Top 20, vao hiverina hiakatra kianja indray ireo ekipa miady ny ho tomponda­kan’i Madagasikara amin’ny « XXL Top 12 ». Raha tsy misy ny fiovana, any amin’ny fiandohan’ny volana mey vao hi­tohy ny fifanintsanana ho azy ireo. Miato tanteraka ny fifanintsanana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

VAOVAO TAMBATRA

Manana minisitera mitokana ny Fiompiana. Io no anisan’ny nampiavaka ny mpikambana ao anatin’ity governemanta vaovao ity. Tsiahivina anefa, fa nitaky ny hametrahana fitantanana jeneraly mahaleo tena ireo mpiasan’ny Fiompiana, saingy nolavin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana teo aloha. Nivaly ny fitakian’ireo mpiasa, ka izao manana minisitera mitokana izao. Nisy […]

Tetikasa Irema: 14 tapitrisa dolara hanarenana ny rohivoahary

Tetikasa lehibe ny Fana­mafisana ny fampiasam-bola hanarenana ny rohivoahary eto Madagasikara (Irema). Faritra dimy (Diana, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Vatovavy, Sofia) no voakasika, mitotaly 60 500 ha, ao anatin’ ny Faritra arovana Montagne d’Ambre, Tandavanala Anke­niheny Zahamena (CAZ), Tandavanala Cofav, Faritra Arovana Mahimborondro sy Bemanevika. Mitentina 14 tapitrisa dolara ny tetikasa […]

Toekarena manga: Fototry ny fampan­drosoana ny firenena

Vaindohan-draharahan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, vaovao, i Maharavo Jean, ny hampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny toekarena manga. Vonona hiara-miasa akaiky amin’ireo ekipa mpiara-dia aminy izy hanatrarana ny vina apetrany, raha ny nambarany nandritra ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Chan Kit Waye Jacob, teny […]

Fandraharahana: Hamoraina ny fandoavan-ketra

Tosika amin’ny fampandrosoana ny fandraharahana ny fidirana amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Hifanolo-tanana ny foibe fitantanana ny hetra (DGI) sy ny kabinetra NR Consult hanamorana ny fandoavan-ketra. Vita sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny foibe fitantanana ny hetra (DGI) sy ny NR Consult. Tanjona ny hananganana rafitra ara-toekarena mafy sy matanjaka […]