Other News

Nihinana trondro nisy poizina: telo mianaka niara-maty

Maty tao anatin’ny andro iray ny ramatoa iray sy ny zanany roa tao Antalaha. Nihinina hazandrano nisy poizina izy ireo. Nifanesy nindaosin’ny fahafatesana ny telo mianaka monina ao amin’ny fokontany Marintsoa, kaominina Antalaha, afakomaly. Nividy trondro teny amin’ny tsenan’Ankoalabe ny raim-pianakaviana, ny alatsinainy 3 jona teo, tamin’ny 5 ora hariva. […]

Fandrobana teny Ambondrona : Jiolahy maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny basy teny Ambondrona, omaly hariva tamin’ny 4 ora. Jiolahy nikasa handroba maty voatifitry ny polisy. Roa lahy nitam-basy nandroba renim-pianakaviana iray avy naka vola teny amin’ny Cash-point, etsy Ambondrona, omaly. Na­rahin’ireo olon-dratsy io renim-pianakaviana io rehefa avy naka vola. Nandeha moto ilay ramatoa ka nosakanan’ireo olon-dratsy ny moto. […]