Other News

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo mpitsara tafiditra anatin’ny lisitra « Elite A 2024 » izay navoakan’ny Caf ilay Malagasy, vehivavy mpitsara lalao baolina kitra, Hanjavola Dominique Rosa. Hanaraka fiofanana any le Caire renivohitr’i Egypte, ny 9 hatramin’ny 13 jona ho avy izao, ireo izay voasokajy anatin’ity lisitra ity. Notontosaina ny 22 hatramin’ny 26 mey lasa teo, […]

Basikety – N1A : hifanandrina voalohany ny USJFM sy ny GNBC

Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny 9 jona ho avy izao, any Toama­sina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja basikety, N1A faritra Atsinanana, lahy sy vavy. Eo amin’ny sokajy vehivavy, ha­nokatra izany any an-toerana ny fifanandrinan’ny USJFM Atsi­mo Andrefana sy ny ekipan’ny zandary GNBC Anala­manga. Raha toa ka ny fihaonan’ny SBBC […]

Rally- “Run Mada 2024”: hanomboka rahampitso ny dingana faharoa

Hotanterahina eny amin’ny la Base 213 Arivonimamo, rahampitso, ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Rally-“Run Mada 2024”. Araka ny fa­nazavana nataon-dRanaivo Rindra, filohan’ny Antananarivo Moto Auto (Ama), izay mpikarakara, hiavaka ny fifanintsanana amin’ity. Anisan’izany ny fampiasana ny lera amin’ny lalaon’ireo mpifaninanana Open. Tsara marihina fa hosokajiana araka ny […]

“Mondial 2026” : hamonjy an’i Afrika Atsimo, ny herinandro ho avy io, i Rayan Raveloson

Hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatry ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2026”, ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ny volana jona. Andrasana ny fahatongavan-dRaveloson Rayan sy ireo namany. Fito andro sisa! Hotan­terahina ao amin’ny ki­anja FNB Stadium Jo­han­nesburg, ny 7 jona ho avy izao, ny fihaonan’i Ma­da­­gasikara sy i […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao antso avo amin’ireo tomponandraikitry ny filaminana, Antananarivo, ny eo anivon’ny vovonana Firaisankina, Rakotovao Rivo, fa hita ny fanomanana herisetra ao amin’ny boriborintany faha-IV amin’ireo mpomba ny kandidà roa mifanandrina. Anjaran’ny tomponandraikitra ny mandray izay tokony hatao amin’izany. Saika nitarika tamin’ny fironan’ny vokatra tamina biraom-pifidianana maro ny kandidà lah. 3, […]