Other News

Filohan’ny HCC : “Zon’ny kandidà ny mitory”

Fampahatsiahivana… Herinandro sisa dia hifarana ny fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana depiote izao. “Raha misy mahatsiaro fa voadona ny zony amin’ny hala-bato sy ny tsy fa­na­rahan-dalàna, zon’ny kandidà ny mitory any amin’ny Fitsara­na avo momba ny Lalàmpanorenana”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, tany Toamasina, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny amin’izay mety […]

Rakotoarijaona Jerry : “Fifidianana no atao fa tsy fividianana olona”

Ao anatin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana depiote izao, tsy ilazaon’ny fizarana fanomezana etsy sy eroa. Ho tonga hatraiza? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM). Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny fahazoana ny maro anisa amin’izao fifidianana depiote izao? Rakotoarijaona Jerry (-): Araka ny And. […]

Afaka andro vitsy: hisongadina indray ny fisian’ny Reny

«Fetin’ny Reny », hono, ny 26 mey izao. Hotolorana fanomezana i Neny. Ny fihetsika sy ny fiteny, hatao izay mahafaly an’i Neny… Hison­gadina indray ny fisian’ny Reny. Tsa­roana ao anatin’ny ora maromaro ny adidy lehibe eo an-tsorony. Kitapo nifonosana, niankin-drindrina irery, nisotro ny rano tsy tiana, nampinono, nitrotro, nibaby, nanome sakafo […]

TARATRY ny KANTO

Hanohy ny seho any Allemagne ry Ralah Trio. Tafahoana indray any Frantsa, ary nandray anjara tamin’ilay hetsika “Festival Tsika Jiaby” ry Ralah Trio. Fantatra fa hitodi-doha ho any Allemagne ry Tsanta (marovany, gitara, trompetra ary vata ma­roafitsoka), Ranto (gitara beso) ary Titan (amponga maroanaka), ka hiaka-tsehatra any Mainz ny alarobia […]