Other News

Sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery : “Misy kandidà misandoka ho natolotry ny Irmar…”

Hentitra ary nahitsy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, omaly. Nambarany fa misy mitonona ho kandidà mpanohana ny fitondrana nefa tsy Irmar akory. “Tsy misy kandidà de­piote mahaleo tena izany ka manohana sy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Ireo nahazo ny tsodranon’ny foibe ihany no kandidàn’ny Irmar sy natolotra ary nankatoavin’ny filoha […]

TSELATRA

Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass akaikin’ny Domaine, omaly hariva. Olona nanao taingin-droa tamin’ny moto ireto tra-doza tampoka ireto. Nifandona tamin’ny kamiaobe ka ilay olona nipetraka taorian’ilay mpitondra moto no voahitsaka. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy. Fasana telo nisy namaky tao Ambohipeno, kaominina Arivonimamo, afakomaly alina. Razana […]

Mpianatra 17 lasibatra : sekoly iray hotohoton’ny afo

Levon’ny afo ny trano fianarana iray, tao amin’ny tanànan’Antafiandramasy, Ambovomamy, kaominina Boriziny II, ny alahady 12 mey teo, tamin’ny 11 ora alina. Niredareda ny afo ka kila avokoa ny fitaovana rehetra tao an-dakilasy. Potika tao anatin’ny minitra vitsy nisian’ny firehetana ny latabatra hatramin’ny solaitrabe. Trano iray nisy ny fitaovam-piaranana, toy […]

Lehilahy voatifitra tetsy Ambohibao: teratany sinoa sy ny vadiny voasambotra

Niara-voatazona eny amin’ny zandary Ambohibao, ny alahady 12 mey teo, ny teratany sinoa iray sy ramatoa vadiny. Nifititra olona tsy nahy ilay ramatoa. Nosamborin’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibao ny teratany sinoa iray sy ny vadiny momba ny vono olona tao Miadapoana, kaominina Am­bohibao Antehiroka, ny ala­hady 12 mey teo. […]