Other News

Taolagnaro : tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro 8MW

Miampy hatrany ny famokarana angovo azo havaozina any Taolagnaro. Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ary hiampy famokarana azo avy amin’ny rivotra ihany koa Notokanana ny sabotsy 27 avrily teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro any Ehoala Taolagnaro. Tan­teraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa QMM […]

«JURISPRUDENCE» : atrikasa ho fampanaraham-penitra

Notanterahina tany Ampe­fy, ny 25 sy 26 avrily 2024 lasa teo, ny atrikasa ho an’ny fanaraham-penitry ny “Jurispru­den­ce” eto Ma­dagasikara. Ni­von­drona ta­min’ity atrikasa ity ny komitin’ny fandinihana sy ny fanamarinana ary ny fanaraha-maso ny fanajariana ny lalàna eo anivon’ny Fitsarana eto Madagasi­kara. Tanjona lehibe amin’ny atrikasa ny ha­nangona sy handamina […]

Fanonganana an-dRazanamahasoa : hoentina any Afrika ny raharaha

Tsy hipetra-potsiny na hamela ny raharaha amin’izao. Nam­baran’ny mpisolovava, ny Me Andrianahaga Eric, fa tsy manan-kolazaina izy ireo raha ny momba ny didy navoakan’ny HCC amin’ny nanonganana ny filohan’ny Antenimiera, teo aloha, Razanamahasoa Christine. Na izany aza, hitady hirika ireo mpahay lalàna. “Azo atao ny mampiakatra izany eo anivon’ny Cour […]

IDA 21 : vinavinaina hitombo avo telo heny ny an’i Madagasikara

Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fisitrahana ny IDA 21. Izany indrindra no anton’izao fihaonana an-tampony izao. Miezaka hatrany ny tomponandraiki-panjakana manao ny ezaka ahafahana misitraka hatrany ity fanampiana ity. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ao Nairo­bi – Kenya, ny fihaonana an-tampon’ny Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana. Ny mahakasika ny fanangonam-bola ho […]