Basikety : nivoaka ny lisitry ny Ankoay U18 sy sénior

Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Ankoay 3 x3, sokajy U18, lahy sy vavy, ary ny “senior”, lehilahy, ny sabotsy lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera ny Federasiona malagasin’ny taranja basikety (Fmbb). Tsara marihina fa ny Ankoay U18, hiatrika ny fifaninanana “Acnoa” any Seychelles, manomboka ny 6 hatramin’ny 11 mey ho avy izao. Raha toa ka hiady ny tapakila hiatrehana ny “Lalao Olympika Paris 2024”, any Debrecen Hongrie, ny 16 -19 mey ho avy izao, ny Ankoay zokiny.
Tsara ny mampahafantatra fa mbola tazana ao anaty lisitry ny Ankoay, “senior”, avokoa ry Elly, Livio, Arnol. Efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany tany Autriche, ny taona 2023 lasa teo, izy telo mirahalahy ireto ary efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, tany Egypte, ny taona 2022. Tsara marihina fa mpilalao vaovao mandrafitra ity ekipa nasionaly Ankoay 3 x3 ity, i Anthony Nelson.

Fitia Randria

Ny lisitr’ireo mpilalao

Ankoay 3×3 U18:
Lehilahy:
1-Andrianjatovo Fenofitia Loic, 2- Rasetriarivony Harinosy A’Ranty, 3- Moralily Famenontsoa Tahimana, 4- Alphe Voahasy Ulrich
Vehivavy:
1-Rakotomanana Théodora Voahangy Estelle, 2- Randriamasimanana Harena Henintsoa, 3- Rasoarivelo Fideline Lycianna, 4 – Rasolofonjanahary Mbola Sahaza
Ankoay “senior”:
1-Randriamampionona Elly, 2- Ratianarivo Livio Rocheteau, 3- Solondrainy Arnol Alpha, 4- Rasolomanana Anthony Nelson

Partager sur: