Tsy hipetra-potsiny na hamela ny raharaha amin’izao. Nambaran’ny mpisolovava, ny Me Andrianahaga Eric, fa tsy manan-kolazaina izy ireo raha ny momba ny didy navoakan’ny HCC amin’ny nanonganana ny filohan’ny Antenimiera, teo aloha, Razanamahasoa Christine. Na izany aza, hitady hirika ireo mpahay lalàna. “Azo atao ny mampiakatra izany eo anivon’ny Cour Africaine des droits de l’homme et des peuples. Eo koa ny Sata Afrikanina momba ny zon’olombelona rehefa manohintohina ny zon’olona iray izany”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy voahaja ny zo ho an’ny fiarovana tamin’io raharaha io ka tokony handraisana fepetra. Ho hita eo ny fanapahan’ireo rafitra Afrikanina ireo na mitombina izany na tsia.
Notsiahiviny fa tsy ara-dalàna ny fomba nakan’ny HCC fanapahan-kevitra momba ny zon’ny fiarovana. “Zo fototra ny fahazoana fotoana ahafahana mitondra fanamarihana sy fanazavana momba ny fanakianana natao ny filohan’ny Antenimiera teo aloha. Tsy izany anefa ny zava-nisy fa 24 ora ihany no nomena azy”, hoy ihany izy.
Synèse R.




