Other News

Soafilira Princia : “Manana otrikarena Analalava”

Nambaran’ny minisitry ny Mponina teo aloha, Soafilira Princia, fa betsaka ny asa fampandrosoana azo atao any amin’ny distrikan’Analalava. “Manana Otrikarena maro isika ary azo trandrahina tsara izany ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy, afakomaly. Olana koa anefa ny lalana ka nampanantenainy fa hamboarina ny mihazon’Antsohihy sy Analalava. Hampiroboroboina […]

Fifidianana depiote : Kandidà henjana ny etsy amin’ny boriborintany fahefatra

Babany sy mafy avokoa! Andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ireo kandidà depiote amin’ny fifidianana. Anisan’ny miavaka ny etsy amin’ny boriborintany fahefatra raha tsy misy ny fiovana ka samy mahafeno ny fepetra filatsahana avokoa izy ireo. Eo Ramboasalama Emi­lien na i Rambô. De­piote amperinasa saingy nosoloin’ny Firaisankina- Tim an-dRandriamasinoro Ny Riana. Hizara ve […]

INDRAY MIJERY

Hikorontana hatrany ny toetry ny andro any an-dranomasina manomboka eo Toliara hatrany Farafangana, vokatry ny alondrano avy any Atsimo. Hahery ny ranomasina ary mety hahatratra 3.5m ny haavon’ny onja, anio. Nahazo fampitandremana, noho izany, ny eo anelanelan’i Toliara sy Farafangana. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. […]

Basikety-“All Step”: mampiseho ny tanjany hatrany ny LSFX

Niditra amin’ny andro faharoa, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Inter-Lycée-All Step” karakarain’ny ligin’Ana­la­manga, taranja basikety. Fifaninanana hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena sy ny federasiona malagasin’ny basikety. Raha nahazo fandresena tamin’ny andro voalohany ny Lycée Saint François Xavier (LSFX), mbola nampiseho ny tanjany hatrany izy ireo afakomaly. Samy nampiseho izany avokoa […]

Atletisma 100 m sy 200 m : nandrombaka medaly volafotsy roa i Claudine

Nisongadina tanteraka i Nomenjanahary Claudine, Malagasy atleta, nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena “Grand Prix International CAA Yaoundé”, izay natao tany Cameroun, afakomaly. Nan­drombaka medaly volafotsy roa, raha niatrika ny famaranan’ny hazakazaka 100 m sy ny 200 m. Raha ny teo amin’ny 100 m, novitainy tao anatin’ny 11.41 segondra, 23.97s kosa ny […]