Babany sy mafy avokoa! Andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ireo kandidà depiote amin’ny fifidianana. Anisan’ny miavaka ny etsy amin’ny boriborintany fahefatra raha tsy misy ny fiovana ka samy mahafeno ny fepetra filatsahana avokoa izy ireo.
Eo Ramboasalama Emilien na i Rambô. Depiote amperinasa saingy nosoloin’ny Firaisankina- Tim an-dRandriamasinoro Ny Riana. Hizara ve izany ny vaton’ny Tim? Tahaka izany koa ny ankilany. Nirotsaka mahaleo tena Rahasimanana Paul Bert (Rossy), raha TGV izy teo aloha. Nisolo azy ny avy amin’ny Irmar, Rafidimanana Desiré. Samy mahazaka sy manana olona eny “Ambany tanàna” izy ireo.
Ho mafy koa ny fifanandrinana ho an’ny boriborintany fahadimy. Mbola kandidà Raholdina Naivo, Irmar sy ny Tim, Ralambozafimbololona Fetra. Natao lisitra faharoa kosa anefa Randrianarisoa Guy Rivo ho an’ny Firaisankina. Mbola eo koa ny avy amin’ny Kolektifa, Harifidy Ramanandraibe. Andrasana koa ny fifanandrinan’ny minisitra Andriamananoro Augustin, miaraka amin-dRaholinarivo Paolo sy ny Firaisankina Tim, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, etsy amin’ny boriborintany I.
Toamasina, Fianarantsoa, Toliara
Hangotraka ny any Toamasina I. Samy mbola kandidà ireo depiote amperinasa. Naharimamy Lucien Irma, miaraka amin’ny lisitra faharoa, ny governoran’Atsinanana, Rafidison Richard, avy amin’ny Irmar sy ny depiote Ratsiraka Roland atolotry ny Kolektifa. Eo koa ny tsy miankina, Rakotomanana Gervais na i Lebaba sy i Coco Velogno.
Hifanandrina ao Fianarantsoa kosa ny avy amin’ny Irmar, ny minisitra Sahondrarimalala Michelle sy ny Kolektifa, Randriarimanana Patrick. Ny tsy miankina, Rasoamiaramanana Heritiana na i Zaref. Any Toliara I, ny Irmar, amin’ny alalan’i Tinoka Roberto miaraka amin’i Maharante Jean De Dieu sy ny Firaisankina, Randrianasoloniaiko Siteny ary ny tsy miankina, Rabe Jules. Ampahany ihany amin’ireo kandidà anisan’ny andrasan’ny maro ireo.
Synèse R.




