Hiditra amin’ny andro fahatelo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “Top 20”. Hampiantrano izany ny kianja Makis Andohatapenaka. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny FTM Manjakaray. Raha ara-taratasy aloha, manantombo ny FTM saingy hiezaka hanohitra ny TFA. Samy […]
Other News
Fibatana fonjamby: tsy tao anaty filaharana Andriatsitohaina Tojo
Taorian-dRandafiarison Rosina, anjaran’Andriatsitohaina Tojo indray no niditra an-tsehatra, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja fibatana fonjamby. Fifaninanana natao tany Thaïlande, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny vokatra voaray, tsy tao anaty filaharana na “non classé” i Andriatsitohaina Tojo. Malagasy mpibata fonjamby, sokajy latsaky ny 73 kg. Araka […]
TARATRY ny KANTO
Nahazo tale jeneraly vaovao ny ORTM. Tsy vaovao ny marimarina kokoa, fa niakatra teo amin’izany toerana sy andraikitra izany, Ranarivelo Nampoina. Talen’ny TVM nandritra ny roa taona sy tapany izy nialoha izao. Mametraka ho fanamby ny ho fanatsarana ny tolotra omen’ny haino aman-jerim-panjakana ho an’ny Malagasy tsivakivolo ny tenany. Monika […]
Kabeson’ny Ampanjaka Toera: hidina any Menabe ny komity siantifika
Miroso miandalana. Efa tontosa ny dingana voalohany amin’ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, izay mipetaka amina tranombakoka iray any Paris, Frantsa. Volana maromaro izay no nanao ny fangatahana tamin’ny governemanta frantsay ny fanjakana malagasy, nosoloin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera teo aloha, tena. Nanohy ny dingana manaraka ny ekipan’ny […]
Seho « Redombe » : hira 37 no hovelomina
Miroso hatrany ny fanomanana ilay fampisehoana an-tsehatra « Redombe » karakarain’ny Sehatra Bagasy. Fantatra fa mahatratra 37 ny isan’ireo hira hovelomina eny an-tsehatra, ny sabotsy 25 mey izao, ao amin’ny efitrano malalaky ny CCEsca Antanimena. Anio, hanatanteraka fihaonana « Atrikefa Bagasy » ho famerenana ireo hira ireo, eny amin’ny Aro Antsahavola, ireo mpanakanto mivondrona […]






