“Tsy misy fepetra manokana ny And. 72 amin’ny Lalàmpanorenana, natao ho an’ny mpikamban’ny birao maharitra na ho an’ny filohan’ny Antenimierampirenena”, hoy ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny faramparan’ny herinandro teo, ny amin’ny fangatahan’ny vondrona IRD ny fanalana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tsy ho depiote intsony. Rehefa […]
Other News
Ratsietison Jean-Jacques : “Andeha hiaro ny safidy tsy hisian’ny hosoka”
“Andeha isika hiaraka hiaro ny safidintsika mba tsy hisian’ny hosoka amin’ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny antoko Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy (FMI-Ma) mpikamban’ny vondrona Kôlektifa an’ny Malagasy, Ratsietison Jean-Jacques, momba ny fiatrehana ny fifidianana depiote. Raha mbola adalain’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny tena: iza no hanasazy ny […]
HCDDED: mampihatra ny politikam-pitsitsiana
Hahena ny isan’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), araka ny fampitam-baovao iray eo anivon’ ity rafi-panjakana ity. “Tafiditra amin’ny politikam-pitsitsiana ny fampihenana ny isan’ireo mpiasa. Anisan’izany ireo mpanolotsaina teknika sy ny misahana ny iraka, “Conseillers technique sy Chargés de mission) eto anivon’ity […]
Orinasa Star: hetsika tontolo iainana sy fahasalamana tany Antsirabe
Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, misy ny andraikitra sosialy raisiny eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Hetsika roa no nataony tany Antsirabe, nandritra ny fetin’ny Paka, ny faran’ny herinandro teo, ny 27, 28 ary ny 30 marsa, nifanandrify tamin’ny hetsika ara-kolontsaina sy toekarena, ny Star Tour, fanao isan-taona any an-toerana. […]
Diana: hisokatra amin’ny 8 avrily ny jono horita
Natao tany Antsiranana, ny 27 marsa teo, ny fivoriana fanomanana ny fisokafan’ny jono horita any amin’ny ilany atsinanana, ao amin’ny faritra Diana sy Sava. Nanatrika tao ny komity misehatra amin’ny seha-pihariana horita any amin’ny ilany atsinanan’Antsiranana sy ny solontena any amin’ny faritra Sava. Tapaka nandritra ny fihaonana fa hisokatra amin’ny […]






