“Tsy misy fepetra manokana ny And. 72 amin’ny Lalàmpanorenana, natao ho an’ny mpikamban’ny birao maharitra na ho an’ny filohan’ny Antenimierampirenena”, hoy ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny faramparan’ny herinandro teo, ny amin’ny fangatahan’ny vondrona IRD ny fanalana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tsy ho depiote intsony. Rehefa mandika ny zotran’ny fitsipiky ny politikan’ny antoko na vondrona nahavoafidy ny depiote dia azo esorina tsy ho depiote. Tsy hoe filohan’ny Antenimierampirenena na mpikamban’ny birao maharitra dia tsy azo esorina. Aoka tsy havadika ny resaka.
Misy koa milaza ny And. 73 amin’ny Lalàmpanorenana hoe tsy azo enjehina sy samborina ny depiote, raha tsy misy fahazoan-dalana amin’ny birao maharitra. Tsy fanenjehana noho ny heloka bevava na heloka tsotra ny raharaha, fa tsy fanajana ny fitsipika mifehy ny antoko nahavoafidy ny tena.
R. Nd.




