“Efa nisy ny fivorian’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena tamin’ny 12 avrily lasa teo, nanendry ny zokiny indrindra amin’ireo filoha lefitra enina”, hoy ny fanazavan’ny mpikamban’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny depiote Rakotomanga Lanto, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fitantanana ny Antenimierampirenena taorian’ny fanalan’ny HCC ny filoha teo aloha, Razanamahasoa Christine. Ny […]
Other News
Entan-jaraina mora zaka
Ho tanterahina any Toamasina, anio, ny filankevitry ny minisitra. Fivoriana isan-kerinandro tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Mampahatsiahy ny filankevitra mitety faritra tamin’ny fitondran-dRatsiraka Didier sy ny praiminisitra Andrianarivo Tantely. Fanamafisana ilay faritany mizaka tena napetrany mba hanakaikezan’ny fahefana ny vahoaka. Vakilay tamin’ny fikasana hametraka ireo fanjakana federaly, hampahaleotena ny faritany, indrindra […]
Lisitra ofisialy avy amin’ny Ceni : afaka hifaninana ny ankamaroan’ireo kandidà henjana
Navoakan’ny Ceni omaly alina, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny fifidianana depiote hatao ny 29 mey izao. Hanomboka tsy ho ela ny fifaninanana hifanandrinan’ireo kandidà matanjaka… Afaka hifaninana ny ankamaroan’ireo kandidà nanatitra antontan-taratasy teny anivon’ny Ovec. Anisan’izany, Razanamahasoa Christine ao Ambatofinandrahana, ohatra. Hifanandrina any Ambatondrazaka kosa ny Firaisankina Tim, Razara Pierre […]
TSELATRA
Lehilahy iray maty nokapain’ny rafilahiny famaky teo amin’ny lohany tao Tsiareky, Ambovombe Androy, ny alin’ny 14 avrily teo, tamin’ny 8 ora alina. Samy sakaizan’ ilay vehivavy izy roa lahy ka niady. Nampiasa famaky ny iray ka niteraka io fatiolona io. Lezionera frantsay iray 39 taona hita faty tao Ambondrona, kaominina […]
Anjozorobe: telo mianaka nalain’ny dahalo an-keriny
Dahalo maherin’ny 20 lahy nitam-piadiana naka takalonaina tao Anjozorobe, afakomaly alina. Olona telo nalain’izy ireo ka ankizivavy ny iray. Tsy mety tapitra, ankizivavy sy renim-pianakaviana iray 32 taona niampy lehilahy iray indray nalain’ny dahalo an-keriny tao Fieferana, akaikin’ Antanandava, kaominina Marovazaha, distrika Anjozorobe, afakomaly alina. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, maherin’ny […]






