Other News

VAOVAO TAMBATRA

Nidina ho 2 800 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, izany hoe, 800 Ar ny kapoaka. Mahatonga izany ny fiakaran’ny vo­katra vakiambiaty tsikelikely, sady manomboka maina ny lalana any ambanivohitra sy ny toerana voka-bary. Nilaza ny mpamongady fa hitohy io fihenan’ny vidim-bary eto an-toerana io. Misokatra ny […]

Ady amin’ny INN : miisa 23 ireo sambo manao fitsirihana

Mandray anjara amin’ny hetsika « Our ocean » atao any Athènes-Grèce i Madagasikara, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Anisan’ny lohahevitra voaresaka ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN) sy fametrahana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny jono eto Madagasikara. Nilaza ny minisitra Mahatante […]

Sakafo manara-penitra: hamoaka Drafitrasa iombonana ny tetikasa SANOI

Ampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ny kalitaon’ny sakafo eto amintsika. Hanombohana azy ny katsaka sy ny akoho amam-borona, mba ho tsara kalitao eo amin’ny lafiny varotra iraisam-pirenena. Atao eto Antananarivo, mandritra ny telo andro ( ny 16-18 avrily) ny atrikasam-paritra momba ny fe­petra mifehy ny Fiarovana ara-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana […]

Fampandrosoana eny ifotony : miantso fifanomezan-tanana ny Fizalaotra

Miantso ny mpikambana sy ny zanaky ny faritra ary ireo tsara sitrapo, hifanohana sy hifanome tanana ny Fikamba­nan’ny zanak’Alaotra (Fizalao­tra). “Ndao isika hiara-hijery va­haolana entina miatrika ny olana maro samihafa aty, mba hisian’ny tena fampandrosoana mirindra sy hisitrahan’ny rehetra izany”, hoy ny filohany, Andriamahafaly Zaka, omaly. Nambarany fa misedra olana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka, afaka tapa-bolana, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Can 2024, taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy sénior. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” amin’ity ny XV Makis Ladies de Madagascar. Tsiahivina fa ny 4-12 mey ho avy izao ity fifanintsanana ity no hatao eny Andohatapenaka. Hotontosaina manomboka ny […]