Efa ao anatin’ny fanomanantena farany amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’olona 12, vehivavy, ny Makis Ladies. Hanala vela amin’i Kenya sy i Afrika Atsimo izy ireo amin’ity. Mitohy etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fanazarantenan’ny Makis Ladies, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho […]
Other News
FEPA andiany faha-16: hisongadina ny sehatry ny fiompiana
Tomombana avokoa ny fikarakarana ho an’ny hetsika “Tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, (FEPA)” andiany faha-16, hatao ny 25 ka hatramin’ny 28 avrily, eny amin’ny Malagasy professionnels de l’élévage (MPE) Nanisana. Ho hita eny an-toerana mandritra ny efatr’andro ireo vokatra rehetra azo sy afaka entina hanatsarana ny fiompiana. […]
Filàna andavanandro: hatsangana ny lalàn’ny famokaram-bary
Hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra manoloana ny tsenan’ny vary eto amintsika. Hapetraka anaty didim-pitondrana ireo fepetra hiasan’ireo mpanangona sy mpivaro-bary akotry sy fotsim-bary vokarina eto an-toerana. Hofaritana ihany koa ny lalàn’ny fitsinjarana sy ny fivezivezen’ny vokatra ary koa ny fitsipika mifehy ny fitehirizana. Atao izany mba […]
3P: hisy ny dinika iarahana
Mitohy hatrany ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem) tamin’ny Filoham-pirenena, ny zoma teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Teboka dimy mandrafitra ny ho avin’ny ny sehatra tsy miankina no noresahana tamin’izany. […]
Akon’ny Tsena iraisam-pirenena momba ny fitaterana (STLM): hanovana ny fampandrosoanan’ny fitaterana sy ny toekarena
Nivondrona tamina toerana iray nandritra ny efatr’andro ireo mpisehatra eo amin’ny fitaterana eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny fitaterana (STLM). Nisongadina manokana ny orinasa malagasy mpanamboatra « drone ». Tratra ny tanjona! Nifarana ny alahady teo ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny fitaterana, ny fampitaovana ary ny fikirakirana (STLM) andiany fahatelo […]






