“Fomba fanaon’ny mpanao politika izy io. Amin’ny maha fomba fanaony azy izay: rehefa miala ireo minisitra ireo, tsy ireo no hisolovava ny vahoaka eo anivon’ny Antenimiera raha ny hita eo amin’ny tantara”. Izay ny fijerin’ny sekretera jeneralin’ny Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fisisihan’ny minisitra mirotsaka ho depiote. Hiverina ho minisitra […]
Other News
Vao nivoaka ny fonja: maty voatifitry ny zandary i Mainty
Tsy mety fay mihitsy! Vao nivoaka ny fonja ny faran’ny volana marsa teo, niverina nanohy ny asa ratsiny indray i Mainty. Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra (PA) Ankadindravola teny Ivato, afakomaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana, fantatra amin’ny anarana hoe i Mainty. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Miatrika ny fifaninanana afrikanina ITF/CAT U16 izay hatao any Alger, renivohitr’i Algerie, i Mitia Voavy Andraina, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Raha ny fantatra, nianto-tena ity Malagasy atleta ity. Tsara ny mampahafantatra fa mety hanarina ny lesoka hita nandritra ny lalao Afrikanina natao tany Accra Ghana i Mitia Voavy amin’ity fifanintsanana […]
Taekwondo: hofantatra anio ny ho filohan’ny federasiona
Hotanterahina anio, eny Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD). Miisa roa ireo kandidà hofidina amin’izany. Anisany ny filohan’ ny FMTKD teo aloha, Ramanantsoa Christian, sy ny lehiben’ny ligin’Analamanga teo aloha, Rakotomanana Franck Tiana. Tsiahivina fa amin’io fotoana io vao hijoro ny vaomiera mikarakara ny fifidianana (Ceni). […]
3FB Toliara sy Mama FC: natsahatra ny lalao
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahafito, fifaninanam-pirenena, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Nisy ny lalao natsahatra noho ny fikasihan-tanana nataona mpijery iray tamin’ny mpitsara, teny Vontovorona, nandritra ny fifanandrinan’ny 3FB Toliara sy ny Mama FC. Araka ny loharanom-baovao iray, najanona teo amin’ny minitra faha-35, fizaram-potoana voalohany, […]






