Higadona afaka valo andro ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Manana fikasana ny handefa atleta enina mianadahy ny federasiona malagasin’ ny judo amin’ity fifaninanana ity. Fifaninanana hatao any Egypte, manomboka ny 23 avrily ho avy izao izy ity. Hatreto, tsy mbola nandefa ny taratasy milaza ny fandraisany anjara […]
Other News
Sombim-baovao
Nisongadina indray Randriatsiferana Tokinantenaina Olivier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra milalao any La Reunion, omaly. Nahatafiditra baolina telo ho an’ny St Paul, klioba renioney izy ary nandresy ny St Suzanne tamin’ny isa mavesatra, 7 no ho 0, ry zareo tamin’izany. Tsiahivina fa i Tsiry kely no mpilalao […]
Kianja Barea Mahamasina: misy fepetra takin’ny Caf
Taorian’ny fitsirihana nataon’i Josua Andries Hoebeb, «inspecteur»-n’ny Caf ny kianja Barea Mahamasina, ny zoma 5 avrily lasa teo, nisy fepetra maika tsy maintsy tanterahina raha tiana ny hahazoan’io fotodrafitrasa ho an’ny baolina kitra io fankatoavana, mba hampiantranoana ireo fihaonana iraisam-pirenena atsy ho atsy. Anisan’ireny ny fanamafisana ny fiarovana ireo mpijery […]
Tetikasan’ny FMF : havaozina ny ivontoerana eny Carion
Nandritra ireo telo andro nandalovan’i Gelson Fernandes, tale rejionalin’i Afrika eo anivon’ny Fifa, teto Madagasikara, nitsidika ny ivontoerana nasionaly eny Carion ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy, Rasoamahenina Sanda, Malagasy miasa ao amin’ny Fifa. Notanterahina teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, afakomaly, ny fivoriambe ara-potoana (AG O) voalohany, izay nokarakarain’ny Federasiona […]
TARATRY ny KANTO
Hotsaroana rahampitso ny faha-202 taona nahafatesan’ny Printsy Ratsintantanina. Hisy lanonana hiendrika fampahafantarana ny «tetikasan-kolontsaina marolafy Ratsintantanina», etsy amin’ny Havoria, ORTM Anosy, anio. Hisy velakevitra sy fampirantiana manomboka amin’ny 10 ora maraina, ka mpikaroka sy mpandalina maro, Malagasy sy vahiny, no hifarimbona amin’izany. Nidina tany Belo Tsiribihina, misy ny fianakavian’ny Ampanjaka […]






