Other News

Distrikan’i Betroka: mitady olom-baovao ho depiote

Kandidà telo no nametraka ny taratasy filatsahany ho fidina ao amin’ny distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Ani­san’ izany ny solombavambahoaka amperinasa, Randrianasolo Nicolas. Ny avy amin’ny antokon’ny fitondrana, tarihin’ny kandidà Razafindrahera Henrilly Odestin, izay miaraka amin’ny ben’ny Tanàna amperinasa. Anisan’ny olom-baovao kosa, handrasan’ny mponina ny tsy miankina, Andrialemirovason Moëz […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo fitaovana ireo kaominina any Andapa

Nisitraka fitaovana informatika, toy ny ordinatera sy “Panneaux solaires” avy amin’ ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, ireo kaominina miisa 13 any amin’ny distri­kan’Andapa. Notanterahina omaly, tany Sambava, ny fa­nolorana izany mba hahafahan’ireo ben’ny Tanàna mampiasa tanteraka ny drafitra fanajariana “Schéma d’aménagement communal – Sac”. Hitohy amin’ny […]

Pôle stage Madagascar (PSM): hofanina ny tanora hanana hoavy mamiratra

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny hampamiratra ny hoavin’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Ni­sokatra nanomboka omaly ny fiofanana arakasa andiany fahenina anatin’ilay fandaharanasa Pôle stage Madagas­car (PSM). Fampiofanana iarahan’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­sikara (SIM) ary ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa (FOP), […]

Fandraharahana: laharana voalohany i Madagasikara

Maro ireo tanora liana sy misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Manodidina ny 19,5% ny tahan’ny asa fandraharahana (activité entrepreneuriale) eto Madagasikara, mametraka ny firenena amin’ny laharana fahavalo maneran-tany, voalohany kosa amin’ireo firenena ambany fidiram-bola, ny taona 2020. Firenena mavitrika amin’ny famoronana orinasa i Mada­gasi­kara. Mano­didina ny 19,6% ny tahan’ny […]

Ny asako rahampitso andiany faha-16: nampidirana sehatrasa vaovao mahaliana ny tanora

Ny lycée J J Rabearivelo sy ny lycée Andoharanofotsy no nandray ireo mpisehatra amin’ny “Ny asako rahampitso”. 5 833 ireo mpianatra hahazo tombontsoa mandritra ny hefarana. 200 mahery ireo mpisehatra hitafa amin’ny mpianatra 2nde amin’ny lycée valo eto Antananarivo momba ny asa sy ny lalana hizorana hahatongavana amin’izany. Misy karazana […]