Notanterahina omaly, tany Ampefy, ny fikaonandohan’ireo lehiben’ny sampam-pitsarana ara-bola sy ny filohan’ny fitsarana ny fitantanana ny volam-panjakana. Eo koa ireo tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny fitsarana ny fitantanana ny volam-panjakana. Lohahevitra nanompanana ny fikaonandoha ny haitarika sy ny fitantanana ho an’ny fanovana eo amin’ny rantsam-pitsarana ara-bola. Niatrika izany ny minisitry […]
Other News
Fifidianana depiote : miantso ny olompirenena hifidy ny FFKM
“Tohizinay ny antso avo momba ny fifidianana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, izay hatrehintsika amin’ny 29 mey ho avy izao. Ny antso voalohany ataon’ny FFKM amin’izany dia ny hahazoan’ny rehetra mijery sy manamarina ny anaran’ny tena amin’ny lisitry ny mpifidy any amin’ny biraom-pokontany misy ny tsirairay avy”. Izay ny […]
Analanjirofo: naiditra am-ponja ny lehiben’ny faritra teo aloha
Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramarson Jacques, taorian’ny niakarany teny anivon’ny PAC, ny alakamisy teo. Ahina ho nanodikodina volam-panjakana izy. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramarson Jacques. Efa impolo nantsoina teo anivon’ny Bianco teto Toamasina ny tenany hatramin’ny nialany […]
INDRAY MIJERY
Hotokanana, anio, ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny EPP Ivato, izay fanitarana sy fanatsarana. Anisan’izany ny efitranon-tsekoly iray, trano famakiam-boky ary fandokoana ireo efitra manontolo. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanatanterahana ny asa. Hanatsarana ny tontolon’ny fianaran’ireo kilonga no anton’ny fanavaozana. Herinandro Masina amin’ity herinandro ity. Maro ireo tokantrano mamonjy fanompoam-pivavahana amin’ny […]
Filana andavanandro: niakatra ny vidin’ny entona fandrehitra
Nahitam-piakarana efa herinandro vitsy izay ny vidin’ny entona fandrehitra eto Antananarivo sy ny manodidina. Ho an’ny marika Vitogaz, niakatra ho 27 400Ar ny tavoahangy 4 kilao, raha toa ka 26 900Ar izany teo aloha. Lasa 62 800Ar kosa ny tavoahangy milanja 9 kilao, raha toa ka 61 800Ar izany teo aloha. Ankehitriny, […]






