Fanatsarana ny fitantanana: nikaondoha ireo sampam-pitsarana ara-bola

Notanterahina omaly, tany Ampefy, ny fikaonandohan’ireo lehiben’ny sampam-pitsarana ara-bola sy ny filohan’ny fitsarana ny fitantanana ny volam-panjakana. Eo koa ireo tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny fitsarana ny fitantanana ny volam-panjakana.

Lohahevitra nanompanana ny fikaonandoha ny haitarika sy ny fitantanana ho an’ny fanovana eo amin’ny rantsam-pitsarana ara-bola.

Niatrika izany ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy Mbolatiana. Nambarany fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny andry telon’ny fampandrosoana izao fikaonan­doha izao. “Anisan’izany ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ho amin’ ny fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna”, hoy izy. Samy nampahafantatra ny laharam-pahamehana sy ny fomba hanatanterahana azy ireo rantsam-pitsarana ireo.

Fifanakalozana traikefa

Nisy koa ny fifanakalozana traikefa ka nanitsiana ny fomba fiasa.
Mitsara ny fitantanana sy ny fampiasana ny volam-panjakana eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny asan’ny mpitsara ara-bola. Manao fitsirihana mifototra amin’ny fanarahan-dalàna sy fitantanam-bola. Eo koa ny fanaraha-maso ny tetibola, ary manome tolo-kevitra. Mitsara ny fandaniam-bolam-panjakana, voarakitra ao amin’ ny tetibolam-panjakana kosa ny mpitsara ny fitantanam-bolam-panjakana. Ma­no­lo-kevitra ny fahefana mahefa momba ny fanaovana lalàna sy didy aman-dalàna, mamaritra ny fandaniam-bolam-panjakana. Tsiahivina fa tohin’ny fihaonamben’ny mpitsara ara-bola natao tany Toamasina, ny taona 2023, izao natao izao. “Sambany vao nisy minisitry ny Fitsarana nanatrika ny fikaonandohan’ny mpitsara ara-bola”, hoy ny filohan’ny Fitsarana ny fitantanam-bo­lam-panjakana

Synèse R.

Partager sur: