Vita hatrany amin’ny 95%-n’ny asa fanamboarana ny tetezan’i Manambondro, faritra Atsimo Atsinanana. Any amin’ny lalam-pirenena RN12A no ahitana azy, eo amin’ny PK174+150, izay natao “béton”. Namatsy vola ny fanamboarana ny tetezana ny Banky iraisam-pirenena, nataon’ny orinasa Consortium Wietec SDLQ. Hatao ny 27 marsa ho avy izao ny fampiofanana ny fiompiana […]
Other News
Toamasina : hampanarahana fenitra ny jono
Tafiditra ao anatin’ny fe-potoana 100 andro, napetraky ny filoham-pirenena ny fampandrosoana isam-paritra. Anisan’ny fomba hanatrarana izany ny fampiharana ny lalàna mifehy ny jono mahakasika ny fitaovana ampiasain’ny mpanjono. Tonga tany Toamasina ny iraka avy any amin’ny minisitera foibe, notronin’ny fitaleavam-paritra momba ny jono sy ny toekarena manga, faritra Atsinanana. Nanampy […]
Tao anatin’ny efa-taona: nihena ny fanafaran’i Madagasikara vary
Mihena hatrany amin’ny 424 007 t ny vary nafaran’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa. Antontan’isa ambany indrindra tao anatin’ny efa-taona manoloana ny firoboroboan’ny vokatra eto an-toerana. Mitotaly 424 007 t ny vary nafarantsika nandritra ny taona 2023. Fihenana farany ambany indrindra tao anatin’ny efa-taona, araka ny tatitra navoakan’ny ivontoeram-pirenena misahana ny antotan’isa (Instat). Mielanelana […]
INDRAY MIJERY
Nanao tatitra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny fananganan-tsaina ny alatsinainy teo fa tao anatin’ny telo volana voalohany dia efa nahatratra 100 000 ny olona nisitraka ny fanentanana sy tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny vokatra takina ao anatin’ ny 100 andro izany. Mandritra ny 10 […]
SOMBIM-BAOVAO
Nahazo fandresena fahatelo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja Motocross indray, i Mathias Plantive ny alahady lasa teo teny Ambohidava. Marihina fa tamin’ity dingana fahefatra ity, mbola i Claudio Tida ihany no laharana faharoa. Araka izany, mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany i Mathias Plantive. Afaka tapa-bolana, hotanterahina […]






