Other News

« Tsy manan-kialofana » : fohazin’i Ashiko ny sain’ny mpijery

Hosodoko anatina fafana folo, maneho ny lohahevitra « Tsy manan-kialofana » no namoahan’i Ashiko Ratovo ny aingam-panahiny, etsy amin’ny Institut Français de Mada­gas­car (IFM) Analakely. Raha haravona ho iray, fohazin’ity mpiangaly ny haikanton’ny ankehitriny ity ny saina amam-panahin’ireo mpitsidika. Ny fahitany ny endrika asehon’ny « Tsy manan-kialofana » eo amin’ny fiarahamonina no arantiny amin’ny […]

“Fianara Reggae Festival”: miditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika

Miditra amin’ny andiany fahasivy ny “Fianara Reggae Festival”. Hiavaka ity andiany ity, noho ny fana­tsarana entin’ny mpikarakara. Tanterahina ny 29 hatramin’ny 31 marsa 2024, ao amin’ny Alliance Fran­çaise Fianarantsoa, ny « Fianara Reggae Festival », andiany fahasivy. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ity gadona ity eto Madagasikara izany. Tanjona ny hampiroborobo ny Reggae any amin’ny […]

Miakatra ny vidim-piainana: maniry hisitraka fandidiana eny amin’ny Mercy Ships ny marary

Marary nefa tsy maharaka intsony ny vola eo am-paletanana entina mitsabo tena. Ahitana izany avo­koa ny faritra sy ny distrika ma­ro manerana ny Nosy. Anisan’ izany ny any Toa­masina. Tonga tany an-toerana ny karnavalin’ny fahasalamam-bahoaka, entin’ny sambo lehibe Mercy Ships. Mandray an-tanana ireo marary aman’arivony sy karazan’aretina maro samihafa izy […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ao Antsirabe, anio ny “Hetsika rodorodon’ny fanambaram-pananana”. Hetsika hampiroboroboana ny fanambaram-pananana, iarahana amin’ny Bianco izany. Anisan’ny hiatrika izany ireo ben’ny Ta­nàna sy mpiasam-panjakana ary ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, ny Jly Razafimandimby Sylvain. Anisan’ireo manamboninahitra ambony nandamina ny krizin’ny 2001- 2002, niakaran’ny filoha teo […]

Vehivavy mpanapa-kevitra : haverina eny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna

“Raha ny volavolan-dalàna natolotray izay nivadika ho lalàna fa nolavin’ny tao amin’ny HCC. Haverinay indray izy io amin’izao fivoriana manaraka izao”. Io ny nambaran’ny mpikambana mpanorina ny Vondrona miralenta ho an’ny fampandrosoana (VMLF) sady ao amin’ny Vovonan’ny vehivavy mpanao politika aty amin’ny Ranomasimbe In­dianina (PFPOI), Razafinde­hibe Nathalie Céline, ny amin’ ny […]