Other News

Jirama : Kojakojaina ny jiro sy ny rano

Nanomboka, omaly alahady, ny ekipan’ny Jirama no nanolo ireo fitaovana bakoly « isolateurs », mitazona ny taribin-jiro, mampita ny herinaratra avy eny Ambohima­nam­bola mankany Antsirabe ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Ha­na­tsara ny tambajotra mpitsinjara herinaratra izany, hampihenana ny fahatapatapahan-jiro amin’iny zotra iny. Ankoatra izany, mandeha koa ny fanadiovana ny rano ao amin’ny […]

Fambolen-kazo 2023 : velaran-tany 100 ha hatao anaty andro iray

Hatao ny 19 janoary ho avy izao any Seranandavitra, kaominina Ilaka-Est, distrika Va­to­man­dry, ny taona fambolen-kazo 2023 eto Madagasi­kara. Lohahevitra raisina ny hoe «Izay mamboly hazo mamelon’ aina, izay mamboly hazo ma­melona an’i Madaga­si­ka­ra». Koa, tanjona ny hambolen-kazo ao anatin’ny velaran-tany 100 ha. Hampi­asana fitaovana ma­naraka ny teknolojia «drô­ne» mandritra […]

Faritra Atsinanana: maro ny zava-bita ho an’ny fampandrosoana

Amin’ny alalan’ny asa vita no hitsarana ny fandrosoan’ny faritra iray. Ho an’ny faritra Atsinanana, tena nifantohana ny any amin’ny kaominina ambanivohitra, notetezin’ny governora Rafidison Richard Théodore sy ny mpiara-miasa aminy. Mikasika ny lalana, saika nisitraka ny ampahany tamin’ny asa avokoa ny tao anatin’ny distrika fito hita ao amin’ny faritra Atsinanana. […]

Mirado sy Reko Band : afa-po tamin’ny seho ny rehetra

Tontosa ny tolakandron’ny asabotsy 7 janoary 2023, teny amin’ny «Alliance Fran­çaise d’Antananarivo» na AFT Andavamamba, ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Mirado sy ny Reko Band. Seho tafiditra tao anatin’ny famaranana ny faha-75 taonan’ny AFT. Fahombiazana ho an’ny mpikarakara ary fahafaham-po ho an’ny mpankafy. «… tsy ho voafafa na oviana na […]