Mijoro ara-dalàna ao Antafiambotry, Nosy Faly, distrikan’Ambanja, faritra Diana, ny Vondron’ny tanora ifotony (VTI) mikatsaka fampihavanana sy fanorenana ifotony ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Tanteraka izany taorian’ireo fankalazana telo sosona tany an-toerana tamin’ny 12,13,14 aogositra 2022: fidirana ny “mosquée” nohavaozina, sy fanaovana joro ara-pirazanana, ary fitsofandrano ny ivontoerana fandraisam-bahiny sady fampiofanana […]
Other News
Governoran’ny faritra Bongolava : “Tena mangalatra ny prefet”
“Sahirana isika hoe: iza no mpangalatra. Io ny mpangalatra efa hita, araka ny porofo. Io ny prefet fa tena mangalatra, ka mitokona ny vahoaka sy ny ben’ny Tanàna. Tsy afa-kiaraka intsony amin’ny mpangalatra izahay, ary tsy mandray baiko amin’ny mpangalatra toy izao”. Io ny fanambarana nataon’ ny governoran’ny faritra Bongolava, […]
Fianakaviana lasa nanao fety… : kila hotohoton’ny afo ny trano
Trano miisa 12 indray kilan’ny afo tao Bemiditra, fokontany Ambalakazaha Avaratra, kaominina sy distrikan’i Manakara, afakomaly. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, fipoahanana herinaratra tao amina tokantrano iray nihidy no niantombohan’ny afo. Voalaza fa lasa nanao fety tany an-toeran-kafa ny tompon-trano sy ny fianakaviany, kanjo hotohoton’ny afo tanteraka ny trano. Vokany, […]
Governemanta… masaka
Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, tsy azo ihodivirana ny fanovana na fanamboarana ny governemanta? Ho hita eo… Governemanta masaka amin’ny resaka etsy sy eroa ny amin’izao? Indrindra taorian’ireny fanangonan-tsonian’ny depiote sasany hangatahana fanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireny… Na ny mpiray donak’afo aza, nisara-kevitra be ihany tamin’iny raharaha iny. Efa nilamina? Na […]
Ady tanimbary: notifirin’ny vinanto lahy ny rafozany
Tifitra vary raraka, fira famaky izany no nanjo ireto lahy antitra mirahalahy ny faran’ny herinandro lasa teo. Notafihan’ny vinantony izy ireo, noho ny disadisa momba ny tanimbary. Zava-doza no niseho tao Bevaho fokontany Ivolo, kaominina ambanivohitra Kotipa, distrikan’ Ivohibe, ny zoma teo. Niafara tamin’ny vono olona ny disadisam-pianakaviana tamina resaka […]