Nifarana omaly 17 marsa, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany faha-10 “Youzou Smatchin Orange”, taranja basikety ho an’ny Oniversite. Voahosotra ho tompondaka ny IUM sy ny U-Magis. Tafavoaka ho tompondaka tao anatin’ny ekipa 20, sokajy vehivavy, ny ekipan’ny IUM, rehefa nahazo ny fandresena 49 no ho 46 nanoloana ny […]
Other News
Sombim-baovao
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fifaninanana “Tama Beach Volley”. Norombahin’ny ekipan’Analamanga ny amboara teo amin’ny sokajy Seniors. Ekipan’Atsinanana kosa no nandrombaka teo amin’ny sokajy U20, lehilahy. Niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Echecs olon-tokana, ny faran’ny herinandro teo, any Ghana, Rakotomaharo Fy sy Aina Tsinjoviniavo. […]
Barea de Madagascar : hanomboka anio ny fampivondronana
Hotontosaina manomboka anio, eny Mahamasina, ny fampivondronana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, taranja baolina kitra. Hivoaka anio ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra anatin’ny “Fenêtre Fifa”. Miaraka mipetraka amina hotely lehibe iray, etsy Ivandry, ny mpilalao voafantina eto an-toerana, nanomboka omaly. Raha tsy misy ny […]
Lalao Afrikanina : hiakatra kianja, manomboka anio, ny Ankoay sy ny Makis Ladies
Nafana ny Lalao Afrikanina, atao any Accra Ghana, ho an’i Madagasikara, tamin’ny herinandro lasa teo. Hiakatra kianja, anio, ny Ankoay. Rahampitso ny Makis Ladies Seven. Hiakatra kianja, manomboka anio, hiatrika ny lalao voalohany amin’ny Lalao Afrikanina, atao any Accra, ny Ankoay lahy sy vavy, taranja basikety 3×3. Araka ny fandaharam-potoana […]
TARATRY ny KANTO
Nitohy tany Analanjirofo ny fampiofanana ireo mpisehatra ao anatin’ny zavakanto. Tafiditra anatin’ilay tetikasa “Prom’Art”, izay novolavolain’ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny fanapariahana ny kanto eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, izy ity. Mpisehatra 40 no nahatozo ny fiofanana ka afaka miatrika ny tsenan’ny zavakanto, isaky ny sokajy misy […]






