Ady saritaka ny eny anivon’ny vondrona na antoko politika amin’izao? Amin’ny hoe: iza no harotsa-kofidina ho solombavambahoaka, iza no mety hofidin’ny vahoaka ifotony, iza no azo antoka fa tsy hivadika… ? Ady fiady izay, fa samy te ho lohany. Izay hahazoana toerana maro eny anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao no kajikajina […]
Other News
Filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent : «Hahintsana ireo kandidà mampiasa fitaovam-panjakana»
Hentitra sy nahitsy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, amin’izao fiatrehana ny fifidianana depiote izao. Handray fepetra ho an’ireo kandidà mihoa-pefy izy ireo. Mahavelom-panantenana? “Tsy hiandry fitoriana izahay fa handray andraikitra avy hatrany rehefa voamarina fa nandika lalàna ny kandidà iray. Hilatsaka ny sazy ho azy ireny ka anisan’izany ny fanalana […]
TSELATRA
Olona sivy mpiasan’ny Jirama no indray naratra vokatry ny fivadihan’ny lamasinina iray tao akaikin’Andasibe, PK 206, ny sabotsy teo. Fiarandalamby mampitohy an’Andasibe sy Andekaleka ity tra-doza tampoka ity. Nitondra ireo mpiasan’ny Jirama hiasa ity lamasinina ity kanjo izao nivadika teny am-pandehana izao. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Reseveran’ny Paositra roa […]
Cocaïne : amidy 4 500 euros ny iray kilao
Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Nosy Be, ny sabotsy teo, ny teratany maorisianina iray sy Malagasy enina, voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana zava-mahadomelina mahery vaika antsoina hoe «haschich» (zava-mahadomelina mahery vaika iray karazana amin’ny cocaïne). Saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Diego Hely Dzamanjar, Nosy Be, ny zoma, ity tambajotrana […]
Tsarasaotra: fiara nivadika, olona iray maty
Namono olona indray ny lalam-baovao Tsarasaotra Ivato, ny sabotsy teo. Roa lahy nandeha fiara Golf iray no tra-doza tampoka rehefa nitrongy andrin-jiro. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Sodokan’ny hatsaran’ny lalana ny mpamily ka nandeha mafy. Tsy nahafehy ny familiana […]






