Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa ireo lehilahy miisa enina voatondro ho nangalatra vy tamina « pilone » mitondra tariby « haute tension » ny orinasa Jirama teny Behintsy –Ambohimangakely, ny alakamisy teo. Tsiahivina fa noentin’ireo jiolahy tamina sarety ireo vy halatra saingy nisy nahatsikaritra. Nampandre ny zandarimaria ny fokonolona ka tratra tamin’izay ireo […]
Other News
Ambohidratrimo : ady tany nivadika halatra akoho, lehilahy iray voasambotra
Manao antso amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany eto amin’ny firenena, indrindra fa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jly Serge Gellé ny fianakavian’ilay lehilahy voarohirohy tamina raharaha halatra akoho nifangaro ady tany, tao amin’ny fokontany Ambohinaorina, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Araka ny fanazavan-dRakotoniaina Hanitra Evah, mpandraharaha eny Madera Namontana, nisolo tena ny […]
Tsy mifidy taona intsony…: tratran’ny polisin’ny BFP ireo tontakely mpisoloky
Ankizilahy roa 15 sy 16 taona tratra nangarom-paosy sy nisoloky tao Toamasina, omaly antoandro. Ny polisin’ny BFP (Brigade feminine de proximité) Toamasina no nahasambotra azy ireo taorian’ny fanenjehana. Ankizilahy 12 taona no niharan’ny asa ratsin’izy ireo. Ny iray mandrahona, ny iray kosa maka ny zavatra ao anaty paosy sy ny […]
Mahajanga : may ny orinasa Sitam
Nijoalajoala ny afo tao amin’ny orinasa Sitam « Société Internationale des Tabacs Malgaches », omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina, tao Manjarisoa-Mahajanga. Vokany, may avokoa ny iray ampahatelon’ny « entrepôt » an’ity orinasa ity. Hatreto tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza, fantatra kosa fa antapitrisa maro ny totalim-bidin’ny entana levon’ny afo. « Olon-tsotra […]
Ambondromamy: dahalo raindahiny maty voatifitry ny zandary
Rotiky ny balan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Manerinerina ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, ny asabotsy alina lasa teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany sy kaominina Ambondromamy tamin’io fotoana io ka isan’ny tompon’antoka tamin’izany ity dahalo ity. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny moto niaraka tamin’ireo […]