Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Anosy, ny fanohizana ny tetikasa ho amin’ny Drafitry ny fahazoana tany (Plof). Betsaka ireo tombony hositrahan’ny sehatra rehetra amin’izany. Nankasitrahan’ny minisitra Andriantsitohaina Naina ny ezaka sy ny fanohanan’ireo mpamatsy vola eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny fanamorana ny tontolon’ny […]
Other News
Minisiteran’ny rano : ho velomina ireo rafitra fandrindrana ny tetikasa
Nivory niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) eo amin’ny sehatry ny rano, ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), omaly, teto Antananarivo. Fihaonana nentina nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiantsehatra samihafa, hampiroboroboana ny vina stratejika. Nambaran’ny minisitra MEAH, Ravokatra Fidiniavo, fa tanjona ny hametrahana rindran-damina tsara kokoa amin’ny sehatry ny rano (Wash). […]
Somacou : notokanana ny milina avo lenta fanodinana lamba
Notokanana omaly, tetsy amin’ny Société Malagasy de couverture (Somacou), Ilafy, ireo milina avo lenta fanodinana lamba mandeha amin’ny herin’ny masoandro. “Tanjona ny hanangana sehatra feno mahakasika ny famokarana lamba eto Madagasikara”, hoy i Jean-Baptiste Malsch, talen’ny orinasa Somacou. Tafiditra ao anatin’ny politikan’i Madagasikara ny fampiasana ny angovo azo havaozina tahaka […]
Jirama : miverina tsikelikely ny famatsiana herinaratra
Nahatonga ny tsy fisian’ny herinaratra tany amin’ny faritra maro ny fahataran’ny famatsiana solika. Efa miverina tsikelikely ny famatsiana izao, ary misy koa ny vahaolana lavitr’ezaka. Nisedra olana ny famokarana herinaratra tany amin’ny faritra sasantsasany tato ho ato. Anisan’ izany ny tany Toamasina, Antsiranana, Tsiroanomandidy, sy ny maro hafa. Nahatonga ny fahatapahan’ny […]
INDRAY MIJERY
Misy fiforonana orana tandrifin-drahona any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, omaly sy anio. Hitohy hatrany ny orana malefaka amin’ny faritra avaratra atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Ho maina kosa ny andro any amin’ny faritra sisa. Tetikasa iarahan’ny Nifin’Akanga, ny Coalition des radios ary ny tambajotra Mihari manatanteraka ny Fagnoro Vavy. Haharitra […]






