Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’i Miarinarivo ny Mgr Rakotoarisoa Jean Claude. Efa vikera jeneralin’ny diosezin’i Tsiroanomandidy ary tale nasionalin’ny Œuvres Pontificales Missionnaires izy, mialoha izao fanendrena izao. Nianatra sy nandalina ny “Droit canonique”, tany Roma. Tsiahivina fa teraka ny 4 oktobra 1971 ny tenany Hanao fivoriambe ny Sendikàn’ny mpirakidraharahan’ny fitsarana […]
Other News
Famoronana distrika: “Matahotra tsy hahazo maro anisa ny mpitondra”
Naneho ny heviny momba ny famoronana distrika vaovao, ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Nambarany fa tafiditra anatin’ny kajikajy politikan’ny mpitondra fanjakana, izay mitady ny maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena izany. “Manao ny fomba rehetra hahazoana an’izay ry zareo. Anisan’izany io fanokafana ny distrikan’Antanimora Atsimo io”, hoy hatrany izy. “Tamin’ny […]
Ady an-toerana… hilaminana
Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy. Ny amin’ny fanasaziana amin’ny alalan’ny famosirana ny raharaha fanolanana zaza tsy ampy taona no antony. Nisy ny fampiakaram-peo amin’ny fiarovana zon’olombelona. Tonga hatramin’ny fitsabahana amin’ny raharaha anatiny ny avy any ivelany amin’izany? Ao ny mihevitra fa izay […]
Vovonana Firaisankina : “Tsy azontsika ekena ny fandikan-dalàna”
Efa anatin’ny fampahafantarana tsikelikely ireo ho kandidà hiatrika ny fifidianana depiote ny vovonana Firaisankina, ahitana ny Tim, HVM, APM ary ny Tsaratahafina. Nohitsin’izy ireo tamin’izany ny tsy fanarahan-dalàna. Nambaran’ny filoha mpiara-mitantana ny Vovonana, Ravalomanana Marc, tamin’ny faran’ny herinandro, fa mbola misy ny tsy fanarahan-dalàna. Roa herinandro mialoha ny fametrahana dosie […]
TSELATRA
Lehilahy nangalatra moto miisa roa voasambotra tao Ambohitrarahaba, afakomaly. Nanamafy ny fanaraha-maso teny amin’ny manodidina noho ny firongatry ny halatra moto tato ho ato ny polisy. Nitondra kojakojana moto io lehilahy io ary nampiahiahy ny fihetsiny. Noraisim-potsiny taorian’ny fanadihadiana azy ity lehilahy ity. Tranombarotra iray lasibatry ny fandrobana tao Ambalampa, […]






