Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao eo amin’ny baolina kitra malagasy, ny savorovoro nitranga tany Toliara, ny alahady lasa teo. Fihaonana nikatrohan’ny Dato FC sy ny 3FB Toliara, andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena na ny “Pureplay football league” (PFL). Manoloana izany, namoaka fanambarana ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona […]
Other News
Lalao Afrikanina : nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura
Nanakoako indray ny hiram-pirenena, tao Accra Ghana, omaly, nandritra ny fifaninanana teo amin’ny taranja Judo, ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina. Nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy latsaky ny 70 kg. Noporofoin’i Laura indray ny maha sangany azy eto Afrika, nandritra ny ady natrehany, omaly. Tsy nisy afa-bela nanoloana […]
“Viavy Film Festival”: fantatra ireo sarimihetsika hifaninana
Nampahafantarin’ny tomponandraikitry ny “Viavy Film Festival”, omaly, ireo sarimihetsika voafantina hiatrika ny andiany voalohany amin’ny fifaninanana. Miisa 12 izy ireo. Ny 15 marsa 2024 no hifandimby handeha eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny horonantsary. Marihina fa sarimihetsika nosoratana sy novokarina ary notontosaina vehivavy no mandray anjara. Tanjona ny hanome sehatra […]
TARATRY ny KANTO
Zandry Gasy eny amin’ny No Comment Bar Isoraka. Taorian’ilay seho lehibe voalohany ny 3 marsa teo, manome fotoana ireo mpankafy indray ry zalahy anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Sehatra ho an’ny ba gasy sy ny hira vokatry ny tany indray ny ao amin’ity toerana efa mahazatra ireo mpankafy mozika […]
Be loatra ny mpamerina : mandroso miadana ny hira malagasy
Nipoitra ny « interprétation », ny « karaoke », ny « cover », sy izay mbola ho avy manaraka. Miroborobo fatratra ny famerenana ireo hira noforonin’ny teo aloha. Ilaina ny mamelona sy mampahatsiahy ny fahiny. Mety hampiadana ny fandrosoan’ny hira malagasy, anefa, izany raha maro loatra. Mihena miandalana ny isan’ny mpamoron-kira. Tsy amin’ny karazan-kira rehetra anefa […]






