Other News

Volonandro fety – Ethnika: hanafana sehatra ny DJ sy ry Broducer…

Hafana indray ny fiarahana amin’ity faran’ny herinandro ity sady ao anaty fety Krismasy rahateo izany. Haneho ny maha izy azy indray ny kalaza amin’ny fampandihizana sy fikosehana kapila, DJ Cyemci, anio 23 desambra, manomboka amin’ny 9 ora alina, ao amin’ny Ethnika Analakely. Fotoana hanehoany ny traikefa ananany tao anatin’ny taona […]

Na nisy ny Noely na tsia… Mivavaka sy mahalala an’Andriamanitra ny Malagasy

Iray amin’ireo firenena nampidiran’ny vazaha ny atao hoe « finoana » ny teto Madagasikara. Nanara-dia tao anatin’izany avokoa rehefa fepetra mety hampitoetra maharitra ny « resa-pinoana ». Anisan’ireny ny anaran’ny finoana, ny fombafomba fanao, sns. Samy nandray izay naharesy lahatra azy ny Malagasy… Nanomboka teo, zavatra maro no niova ! Anisan’ny fitaovam-piadiana iray mahery vaika nialoha […]

MSK: miezaka mamerina ny hasin’ny boky

Lanonana ara-kolontsaina maroloko no natao, ny alakamisy 22 desambra 2022, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nisy ny famoahana ny boky mirakitra ny tantaram-piainan-dRamampy Pierre sy ny an’i Eugene Lechat. Ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatina Rakotondrazafy Andriatongarivo no nitarika ny lanonana. Tonga nanotrona izany ireo olo-manan-kaja maro sy tale […]

Drafitrasa SNDR: voka-bary amboniny 1 tapitrisa taonina amin’ny taona 2024

Natao, omaly, teto Antananarivo, ny atrikasa mikasika ny Drafi-pirenena fanajariana ny vary, andiany fahatelo (SNDR III). Tanjona ny hanatsarana sy ny hampitomboana ny vokatra, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanomboka ny taona 2008 ny SNDR I, mirakitra ny paikady hanatsarana ny sehatry ny vary eto Madagasikara. Nitohy ny taona 2014 ny […]

Fampandrosoana: miara-miasa ny MEDD sy ny MAM

Maherin’ny 5 tapitrisa ny isan’ny mpanao asa tanana malagasy. Mampiasa akora voajanahary ny maro amin’izy ireny. Mba hisian’ny fiantohana maharitra ny akora fototra, ilaina ny fikajiana sy ny fitantanana mirindra ny zavamaniry ampiasain’izy ireo. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD) […]