Other News

Minisitra Hatrefindrazana Jerry: “Malemy ny mpanohitra eto Madagasikara” 

“Fomba fiadin’ny mpanohitra ny mijery ny hirika madinidinika hahazoany mba mipoitra amina sehatra iray. Malemy ny mpanohitra eto ary izay indraindray no mahatonga antsika lasa mivaona tanteraka ny fomba fanoherana na ny fijerena ny tsy mety.” Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa vaventy, i Hatrefindrazana Jerry, momba ny fihetsiky […]

Prefet Antananarivo: “Tsy maintsy manao arovava orona anaty taxi-be” 

“Mbola ao anatin’ny hamehana ihany isika. Ny fiarovan-tena voalohany dia ny fitandremana ny hanina sy ny sotroina, mba ho salama isika amin’ny taona 2023. Eo koa ny fiarovan-tena amin’ny fety”, hoy ny prefet  Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Anton’izany ny mbola fisian’ny valanaretina covid-19, indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra  amin’izao […]

Jly Rakotonirina Richard: mampitandrina ny mpanakorontana

Hentitra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, momba ny fisian’ireo mikasa hanakorontana eto amin’ny firenena. Eo anilan’ny filoham-pirenena hatrany ny Foloalindahy… “Isika Foloalindahy malagasy dia mandray fepetra mialoha mba hisorohana ny krizy mety hitranga satria tandroka aron’ny vozona ary natao hiaro ny fiandrianam-pirenena. Vaindohan-draharaha ny fiarovana ny vahoaka […]

Vondrozo: tafaverina ireo omby nalain’ny dahalo

Avotry ny zandary sy ny fokonolona  ireo omby roa nalain’ny dahalo tao Ambohimahasoa fokontany Ifoitry, kaominina Anandravy, distrikan’i Vondrozo,  ny alatsinainy teo. Vantany vao lasan’ireo dahalo ny omby, nampandre ny zandary ny tompony. Nanao ny fanarahan-dia arak’izany ny fokonolona sy ny zandary roalahy. Nifanehatra tao amin’ny fokontany Mangaikarea, kaominina Andoharano  […]

Lozam-pifamoivoizana: fatin-dehilahy nitsirara teo amin’ny arabe

Vao mangirandratsy, hitan’ny fokonolona teo afovoan’ny  arabe anatin’ny lalam-pirenena faha-12 , PK 145 + 200,  teo amin’ny  fokontany Antanifotsy, kaominina Vohitsindry, distrikan’i Vohipeno, ny fatin-dehilahy nihosin-dra,  afakomaly. Olona sendra nandalo tokony ho tamin’ny 06 ora maraina no nampandre ny polisy ao an-toerana. Nidina nanao ny fizahana ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. […]